FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fikambanana

Nosokafana ny jobily faha 60 taonan’ny sampati faha-XIII Ambavahadimitafo

Publié le 08 octobre 2009 à 09:10

Nosokafana ny alahady faha 04 oktobra 2009 teo ny fankalazana ny jobily faha 60 taonan’ny SAMPATI faha 13 Ambavahadimitafo, ka ny teny faneva entina hankalazana izany jobily izany dia araka izay hita ao amin’ny bokin’i Daniela 12: 3a « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra » Nandritra io fotoana io no nanolorana ireo

» Tohiny...

Hitsangatsangana ny Volana sy Kintana ny Sabotsy 31 Oktobra 2009

Publié le 08 octobre 2009 à 08:10

Fotoana hiarahana amin’ny ankizy afa-panadinana Antsoina isika mpikambana ao amin’ny Volana sy Kintana fa amin’ny sabotsy 31 oktobra 2009 izao dia hisy fitsangatsanganana miaraka amin’ireo ankizy afa-panadinana. Ny fandraisan’anjara dia Ar 4000, tsy mitondra sakafo fa mitondra fitaovam-pihinanana sy rano sotroina. Eny Faravohitra Avaratra ny toerana amin’izany.

» Tohiny...

Vokatry ny Fifohazana faritra Avaratr’Andohalo

Publié le 08 octobre 2009 à 08:10

Hafatra avy amin’ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana faritra Avaratr’Andohalo sampana Fifohazana mikasika ny Vokatra Ny birao sy ny komity mpandrindra ny sampana Fifohazana eto amin’ny faritra Avaratr’Andohalo dia mampahafantatra ny sampana fifohazana isam-pitandremana fa hisy ny iray volan’ny faritra Avaratr’Andohalo izay hanantanterahana Vokatra mandritra ny volana Oktobra 2009 ho solon’ny hetsika fitadiavam-bola mba ahazoana manefa ny

» Tohiny...

VFL

Sakafo karakarain’ny VFL ny 25 Oktobra 2009

Publié le 08 octobre 2009 à 07:10

Amin’ny alahady 25 oktobra 2009 ny fiaraha-misakafo karakarain’ny VFL ao amin’ny Akany Ralibera ary efa mivoaka ny karatra amin’izany koa manentana antsika am-pitiavana handray anjara mavitrika amin’ny fividianana ny karatra. Ny karatra dia hitantsika eny amin’ny mpikambana.

» Tohiny...

VFL

Fanateram-bokatry ny VFL ny 01 Novambra 2009

Publié le 30 septembre 2009 à 07:09

Ampahatsiahivina ny mpikambana ao amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika (VFL) sy ny vahoaka kristianina fa ny Alahady 1 Novambra 2009 no hotanterahina ny Voka-dehiben’ny VFL. Koa iangaviana ny mpikambana mba hanantona ny birao amin’ny fanolorana ny tonom-bokatra toy ny mahazatra ary samy mitondra ny vokatra ho amidy amin’io alahady io. Izany moa dia haterina mialohan’ny

» Tohiny...

Lasa any Toamasina ny Dorkasy

Publié le 23 septembre 2009 à 07:09

Tsy eto an-toerana ny Dorkasy amin’izao alahady 20 Septambra 2009 izao fa manantanteraka ny fihaonam-be any Toamasina. Manana solon-tena maro isika lasa any amin’izany fihaonam-be izany.

» Tohiny...

STA

Fiofanana momba ny fampianarana Sekoly Alahady

Publié le 23 septembre 2009 à 09:09

Ny Sampana sakoly alahady eo anivon’ny synodam-paritany Antananarivo Atsinanana dia mampatsiahy an’ireo mangetaheta sy maniry hampianatra sekoly alahady fa hisy ny fiofanana amin’ny sabotsy 26 Septambra 2009 amin’ny 9h30 ka hatramin’ny 15h ao amin’ny FJKM Ankadindambo Famonjena. Hisy ihany koa ny ”tafika masina” izay atao any amin’ny FJKM Rangaina Fihobiana ny sabotsy 10 sy alahady

» Tohiny...

AMA

Famaranana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny AMA

Publié le 09 septembre 2009 à 08:09

Anehoana ny fisaorana an’Andriamanitra sy ny fiangonana ny fahatontosàna ny fampisehoana mivelatra natao atao amin’ny Akany Ralibera Daniel tamin’ny 29 sy 30 Aogositra 2009. Ankalazaina ihany koa ny Tompo fa tanteraka soamantsara ny Concert Gospel tamin’ny 4 Septambra 2009 tao amin’ny Carlton. Ankasitrahana ny fanohanana nataonareo tamin’ny hetsika rehetra nankalazàna ny faha 30 taona nisian’ny

» Tohiny...

AMA

Fampisehoana mivelatra ny 30 aout 2009

Publié le 05 août 2009 à 08:08

Ao anatin’ny fankalazàna ny faha 30 taona izao ny sampana AMA (Antoko Mpihira Ambavahadimitafo) ka hisy fampisehoana mivelatra amin’ ny farany volana aogositra 2009. Irina amin’izany ny fiaraha-miasa amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny fanangonana izay mety ho antontan-taratasy na sary na horonan-tsary mahakasika ny antoko mpihira; raisinay an-tanan-droa izany

» Tohiny...

Ahoana no hiatrehan’ny fianakaviana kristiana ny fahasarotam-piainana misy amin’izao fotoana izao?

Publié le 29 juillet 2009 à 08:07

Famelabelaran-kevitra ataon’ny FKTZo ny Alahady 22 Jolay 2007 ao amin’ny Akany RALIBERA Daniel Ambavahadimitafo Ny FKTZo, dia hanatanteraka famelabelaran-kevitra ny ALAHADY 22 JOLAY 2007 ao amin’ny Akany RALIBERA Daniel Ambavahadimitafo. Ny Mpitandrina, RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, no hamelabelatra ny loha-hevitra hoe : « Ahoana no hiatrehan’ny fianakaviana krstiana ny fahasarotam-piainana misy amin’izao fotoana izao ? ». Hisy ny fifanakalozana

» Tohiny...