FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fikambanana

Fihaonam-be voalohan’ny TMT

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Ny fihaonam-be voalohan’ny TMT dia tanterahina ny 28 septambra 2013 amin’ny 10 ora ao an-tokantranon’andriamatoa Rakotomalala Samuel (Sagam) ao Antsahabe. Asaina ny Tily sy Mpanazava tranainy ary ny sakaiza mba ho tonga hanatrika izany

» Tohiny...

Nahavita lasy ny voron-kely sy ny sampana maitso

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Ny Voron-kely sampana mavo dia nahatanteraka ny lasy teny Oasis Park Vontovorona. Torak’izany koa ny Tily sampana maitso dia nahatanteraka lasy lehibe ny 04 ka hatramin’ny 10 semptambra 2013 teny Anjozorobe. Misaotra ireo izay nitondra am-bavaka

» Tohiny...

Miverina mianatra hira ny Sekoly Taninketsa

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Tanteraka soa aman-tsara ny asabotsy 14 septambra 2013 ny Fivoriam-ben’ny Sekoly Taninketsa, izay nahafahana nandany ny teti-bola sy asa 2014. Hiverina hianatra hira ihany koa ny Sekoly Taninketsa manomboka ny asabotsy 21 septambra 2013 amin’ny 9 ora, koa manentana ny mpikambana sy ireo izay te hanatevin-daharana ny sekoly.

» Tohiny...

Miverina mamerin-kira hira ny Antsan’Ambavahadimitafo

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Manomboka mamerin-kira ny Antsan’Ambavahadimitafo, ny alahady 15 septambra 2013 eny Ambohimangakely ao aorian’ny fotoam-pivavahana, tokan-tranon’andriamatoa Andriamanana Hery mivady

» Tohiny...

Fety famaranana ataon’ny AFFA

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Hanatontosa fety famaranana ny AFFA ny alahady 22 septambra 2013, koa antsoina ny ray aman-dreny mba hanatrika izany

» Tohiny...

Namangy ny FJKM Ambatotokana ny Volana sy Kintana

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Misaotra an’Andriamanitra lehibe ny Volana sy kintana raha afaka namangy ny FJKM Ambatotokana ny alahady 08 septambra 2013, niaraka tamin’ireo ankizy marobe taizaina eo anivon’izany sampana izany. Mankasitraka ny mpitandrina Rakotoniera mivady sy ny biraom-piangonana ary ireo izay nitondra am-bavaka ka nanohana izany asa izany.

» Tohiny...

Nisokatra ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny AMA

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Ny Antoko Mpihira eto Ambavahadimitafo dia misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny fanokafana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny AMA sy ny fanateram-bokatra izay notontosaina ny alahady 01 semptabra 2013. Maneho fisaorana ny mpitandrina Rakotoniera sy ny mpianakavin’ny finoana izay tonga nanotrona sy nanakalo vola ny vokatra. Ny AMA dia hanatateraka ny Fivoriam-be (AG)

» Tohiny...

Fotoam-bavaka ho an’ireo mpanala fanadinana

Publié le 17 juillet 2012 à 09:07

Ny sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo dia mikarakara fotoam-bavaka manokana ny alahady 22 jolay 2012 izao, manomboka amin’ny 3ora hariva, natokana indrindra ho an’ireo zanatsika mpanala fanadinana rehetra. Hisy ny asa fampaherezana mandritra izany fotoana izany. Koa manasa antsika tsy an-kanavaka hanatrika izany fotoana manokana izany ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany ary ho fitahiana ho

» Tohiny...

Tsiahy vetivety an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 21 juin 2012 à 06:06

1863 – 2013: 150 taona no nanorenana ny Fiangonana Ankadibevava-Ambavahadimitafo, ary ho feno 150 taona koa no nitokanana azy. Tsiahy fohy ny amin’ny nidiran’ny fivavahana kristiana, ireo vanim-potoana nanamarika, ireo mpitandrina nifandimby, ny trano fiangonana, ny maha reny fiangonana an’Ambavahadimitafo, ny fetim-bokatra, ny fanokanana ary ny sehatry ny fitaizana

» Tohiny...

Lisitry ny Diakona voafidy hiasa ny taom-piasana 2012-2015

Publié le 06 mars 2012 à 06:03

Indro atolotra anao ireo Diakona voafidy hiasa mandritra ny taom-piasana 2012-2015 eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Natokana ho isaky ny Sokajy misy azy moa izy ireo, izay nomena anarana vaovao manokana nohon’ny maha-fikambanana Masina azy ireo. Sokajy voalohany : ANTSO Vavy : ANDRIANARIVELO    Chantal ANDRIANARIVELO    Ilonavalona MARIA    Alexandrine RAKOTOVAO    Eléonore Barivola RAKOTOVAO    Grimaud Rachel RALISON    Voahangy

» Tohiny...