FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fikambanana

Ireo katekomena tarika Fanantenana

Publié le 09 décembre 2010 à 02:12

Miisa 21 ireo katekomena tarika Fanantenana ho tokanana amin’ny 19 desmabra 2010 eto am-piangonana

» Tohiny...

Famaranana ny fankalazana ny Jobily Faha-60 Taonan’ny SAMPATI XIII

Publié le 12 octobre 2010 à 09:10

Nofaranana ny Alahady 03 Oktobra 2010 teo ny fankalazana ny Jobily Faha-60 Taonan’ny SAMPATI XIIIè eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ka tamin’izany no nanolorana ny Fiangonana ireo Tsangambaton’ny Jobily.
« Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra » (Da 12/3a) »

» Tohiny...

SLK

Fifampiarahabana taom-baovao

Publié le 26 février 2010 à 08:02

Ny Sampana Lehilah Kristiana (SLK) dia miantso ny mpikambana ao aminy sy izay maniry hanatevin-daharana ny fikambanana fa ny fifampiarahabàna ny taona 2010 dia hotanterahina ny alahady 7 Martsa 2010 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

» Tohiny...

Fivorian’ny Sokajy II ny 27-02-2010

Publié le 26 février 2010 à 07:02

Ny Loholona sy Diakona ao amin’ny sokajy faha2 dia hanantanteraka ny fanomànana sy ny fiofànana ny asa ny 28 sy ny 7 Martsa 2010 amin’ny asabotsy 27 Febroary 2010 manomboka amin’ny 11h eny an-tokantranon’i Atoa Randriamahazomanana Jacquis mivady eny Alasora, samy mitondra ny sakafo sahaza.

» Tohiny...

STK

Programan’ny STK ny 27 Febroary 2010

Publié le 26 février 2010 à 01:02

Tontosa tsara ny fivoriam-ben’ny Sampana Tanora Kristiana (STK) voalohany tamin’ity taona 2010 ity ka maneho etoana ny fisaorana ho an’izay nanatrika izany. Mbola mitohy kosa ny fanomanan-tena amin’ny baolina kitra ka ny fotoana manaraka dia amin’ny asabotsy 27 Febroary 2010 amin’ny 9h30 eny Ankatso eo amin’ny terrain ambany Ny fisitahana masina izay tanterahan’ny STK dia

» Tohiny...

Hahemotra amin’ny 21 Mars 2010 ny famaranana ny faha-25 taonan’ny AFFA

Publié le 26 février 2010 à 06:02

Isaorana Andriamanitra lehibe fa tanteraka ny Vokatra izay nataon’ny Sampana AFFA ny alahady 7 Febroary 2010. Isaorana ihany koa isika rehetra izay nandray anjara tamin’izany, Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo. Araka ny fivoriana tamin’ny heriny tamin’ny firaisan’ny sampana dia ahembotra amin’ny 21 Martsa 2010 ny famarànana ny fankalazàna ny faha 25 taonan’ny AFFA.

» Tohiny...

Tatitra Asa sosialy febroary 2010

Publié le 22 février 2010 à 01:02

Toy izao indray ny tatitra avy amin’ny Asa sosialy mikasika ny vola tamin’ny volana febroary 2010 Fiangonana’ i Jesoa Kristy eto Madagasikara Eglise de Jésus Christ à Madagascar Fitandremana Ambavahadimitafo Paroisse d’Ambavahadimitafo Asa sosialy : misokatra ho amin’ny fihainoana ny hafa tra-pahasahiranana ho amin’ny fifampidinihana aminy ary ho amin’ny fanohanana sy fanolorana azy tantsoroka Action

» Tohiny...

Mikarakara fifaninanana ara-panatanjahan-tena ny SAMPATI

Publié le 19 février 2010 à 08:02

Ho fanohizana ny fankalazana ny jobily faha-60 taonan’ny SAMPATI XIII, dia fifaliana ho an’ny komity no manasa ny sampana velona rehetra eto amin’ny fitandremana handray anjara amin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena izay kasaina hatao mandritry ny volana may 2010 ho avy izao. Ny taranja nomanina amin’izany dia ny Basket, Foot à 7 ary Volley. Ny sampana rehetra

» Tohiny...

Gazety Takelaka Aina Vaovao

Publié le 19 février 2010 à 08:02

Mivoaka izao ny laharana volana Febroary 2010 amin’ny Gazety Akon’Ambavahadimitafo. Hisy koa ny gazety avoakan’ny Faculté de Théologie « Takelaka Aina Vaovao » ahitànao lahatsoratra mikasika an’i Pasteur Rakotoharintsifa Andrianjatovo. Ny vidin’izany gazety izany moa dia Ar 1000.

» Tohiny...

Krismasim-paritra 2010 Sampana STA sy Volana sy Kintana

Publié le 19 février 2010 à 08:02

Hisy ny krismasim-paritra izay atao ao amin’ny FJKM Ambohitantely ny alahady 21 Febroary 2010 manomboka amin’ny 14h izay handraisan’ny Sampana STA ary Volana sy Kintana anjara. Noho izany hisy ny famerenana ny alarobia 17 Febroary 2010 sy ny asabotsy 20 Febroary 2010 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel, entanina ny ankizy mba ho tonga maro amin’izany.

» Tohiny...