Consecration pastorale : mpitandrina Rakotoniera Tantelinirina Christian Eric
ORDINATIO – ORDINASIONA – CONSECRATION PASTORALE- ORDINATION
“Manana izany fanompoana izany izahay araka ny nahazoanay famindram-po dia tsy ketraka” II Korintiana 4: 1.
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia hamafisina ny fiantsoan’Andriamanitra anay hanao ny asan’ny Mpitandrina ao amin’ny sahan’ny FJKM sy ny Fiombonan’ny Fiangonana Reforme Eran-tany ny 10 Septambra ho avy izao amin’ny 9 ora sy sasany maraina eto Ambavahadimitafo. Manoloana izany dia tsara ny ahafantarana anay misimisy kokoa. Koa indro ary ny momba anay!
Tsy mbola tantaram-piainana (biografia) no atolotra anao eto fa ny fitondran’Andriamanitra ny fiainanay hatramin’ny fahaterahana ka hatramin’ny 10 Septambra fotoam-panokanana.
Ho Jhwh tamin’i Jeremia
“Tonga tamiko ny tenin’I Jehovah nanao hoe: hatry ny fony hianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena” Jeremia: 1: 4-5
Ny 05 Septambra 1968 aho no teraka tao Amboavahy Ambohimanarina Antananarivo; zaza faha 6 amin’ny naterak’I Rakotoniera (efa nodimandry) sy Noeline Razafindrazanaka. Ny anarako feno dia anarana mifanaraka amin’ny mahazaza nirina ahy: Rakotoniera Tantelinirina Christian Eric.
Ny sekoly nianarana voalohany dia ny Kolejy fivoarana kristiana Ambohidroa sady tao amin’ny FJKM Ambohidroa Antehiroka koa no natao batisa ny Paska 1970. Ramatoa Raketamanga Loholona (efa nodimandry) no Mpiantoka tamin’ny batisa. Nijanona teto Antananarivo izahay ary lehibe teto noho na dia nivezivezy noho ny asany aza i Dada. Ny EPP Ambodinisotry, ny CEG 67 Ha ary ny Lycée Jules Ferry no nandalovako vetivety ihany ary teny amin’ny Anjerimanontolo aho no nanohy tamin’ny taranja allemand. 14 taona aho no natokana Mpandray tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana dia ny 31 mey 1982. Nandaitra tamiko ny toritenin’I Pasitera Solohery Paul tamin’io alahady pentekosta io: “ary rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo;” (Joela 3: 1).
Ny fiantsoana anaty (vocatio interna)
He ny fiantsoana feno fitiavana!
Teny masina sy to ho anao ry ory fo!
Fihirana FFPM 381: 1
Ny alarobia iray, fiandohan’ny taona 1991 tokony nianarana tamin’i Prof Dr Rakoto Ravalontsalama (cours en Art et Pensée allemande), nisy hery nihazona ahy tsy ho any amin’ny CGM (natao tao ny cours n’ny oniversite tamin’io Mpampianatra io) anefa koa fotoana fizarana vatsi-pianarana ary tafajanona tao an-trano aho, toa nisy nihazona nampandini-tena fatratra no nahatsapako fa mangetaheta hanompo an’Andriamanitra aho. Tsapako fa misy fahabangana lehibe ato anatiko ary zava-poana ny fiainako lavitra an’Andriamanitra. Voahazona teo am-pandriana aho ary variana nitadidy ny fahazavana namirapiratra tao amin’ny efitranoko iny alina iny tao amin’ny fahitana. Ny atalata talohan’io dia efa nidio sy nanadio ny efitranoko aho! Tena nahagaga ary tsy mba mpatory mitsilany aho fa nanatrika tsara Ilay hazavana teo nandrakotra ahy. Ny tanako roa nikomboka teo an-tratrako no hany tsapako nony maraina sy izaho tsy nihohoka tsy toy ny mahazatra. I Pasitera Rasoafanomezantsoa Pierrot no namborahako ny faniriako hanompo an’Andriamanitra na dia tsy mora tamiko aza ny nitantara izany rehetra izany ary nekeny ny faniriako hampianatra Sekoly Alahady tao Ambanilalana Finoana (Itaosy). Tsy mbola nampangatsiaka ny afo nandoro tato anatiko anefa izany fampianarako Sekoly Alahady izany ka nahatonga ahy haka ny antontan-taratasy hifaninanana amin’ny fidirana ho Mpitandrina ny Volana Mey 1991. Noho ny toe-draharaha teto amin’ny firenena dia ny volana Janoary 1992 vao nivoaka io valim-panadinana io. Tanteraka ara-bakiteny teto amin’ny tanintsika ny faminanian’i Isaia Mpaminany nanao hoe “Mitsangàna mihazavà fa tonga ny fahazavanao; indro ny haizina manarona ny tany ary ny haizim-pito manarona ny firenena fa aminao no isehoan’ny voninahiny…” isaia 60: 1-2. Nikatso avokoa ny raharaham-panjakana anefa rehefa tonga ny volana Jolay iomanana ho any Ankaramalaza dia nisy tampoka ny solika nampijaly ny vahoaka ny risoriso nandritra ny grevy volana maromaro. Tonga nampahery ahy i Dr Rakotoarivelo Sylvie rehefa tafaverina avy tany Ankaramalaza sady nampiorina ahy matetika tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny 22 Novambra 1993 aho no natokana Mpiandry tao Ambohibao ary nomena ny anarana hoe Mpiandry Andiany Fahafinaretana (Dr Péri Rasolondraibe sy Ramatoa Razanamiadana no nanao ny Teny Fampirisihana ka nilazany fa tsy izahay loatra no hahazo fahafinaretana fa ny hafa vokatry ny fisahirananay).
Hamarinin’Andriamanitra mandrakariva eo amin’ny fiainanay fa olom-boaantso ho fahazavana ao anatin’ny haizina izahay ary ny famindram-pony ho nahatoy izao koa isaorana indrindra Izy.
Fiantsoana ivelany (vocatio externa)
Nandray ny Fanahy Masina izahay toy ny Apostoly fehizay; rivotra nitsoka; fofon’aina mahavelona; mampaharikoriko fahotana sady mitarika ho amin’ny tsara, Fanahy mampiteny. Izay nolazainay anefa dia tsy voatery ho avy amin’Andriamanitra avokoa fa santionany tamin’ny teny fampandrosoana ny hafa ihany no hatolotra eto:
Rehefa nampianatra tao amin’ny Lycée FJKM Ambohimiadana aho ny taona 1996-1998 dia niteny tamin’ny Mpianatro roa izay nolazaiko tsy nisy fisalasalana fa hahazo mention amin’ny baccalauréat na dia tsy fantatro aza ny fahaizany tamin’ny taranja hafa afatsy ny Filozofia sy ny Histo-Geo izay nampianariko: nandaitra tokoa ny teny! Ny voalohany nahazo metion bien ka tonga Profesera ambony amin’ny medicine ary ny faharoa kosa nahazo mention assez bien ka nanao zornalisma ary hivoaka ho mpitandrina ato ho ato.
Nisy koa vehivavy mpiara-mianatra voafitaka ka saiky narary saina ary rehefa nolazaiko fa hanambady tsara lavitra noho ilay namitaka azy izy dia nanontany ahy hoe iza indray no ho vadiko eo intsony? Dia namaly aho hoe: na Mpampianatra eny amin’ny Lycée na Dokotera no ho vadinao! Hitako vao haingana izy nampahafantatra ahy ny vadiny izay Provizera amin’ny Lycée iray eto Antananarivo.
Fa izay nahafinaritra ahy dia ny fitaomana olona hanao ny asan’ny Mpitandrina indrindra raha maniry hanao izany tokoa izy ireo ary maro no afa-panadinana sady efa am-perin’asa koa. Faly koa aho milaza aminao fa matetika aho no sakanan’ny ankizy eo am-baravaram-piangonana rehefa avy mitory teny. Endrey izany fahatsoran’ireo ankizilahy madinika ireo mitohoka ao an-tsofiko hoe “izaho koa hanao pasitera rehefa lehibe” Izany no fifaliako indrindra fa hay mba manintona ny hafa ny fijoroako sy ny toriteniko ka mahatonga ny antso efa ao anatiny ho velombelona kokoa: hoy Paoly tamin’i Timoty zanany amin’ny finoana: “raha misy olona maniry ny asan’ny Mpitandrina dia maniry asa tsara izy” I Timoty 3: 1. Mitombona mandrakariva io teny io ary anisan’ny fifaliako ny mandinika izany satria maro ny olona nisafidy hianatra teolojia noho ny fifaneraserako taminy ary ny tena mahazedana ahy dia ireo vahiny niara-nianatra tamiko tao Bielefeld sy Heidelberg (RFA) izay lasa mpitondra fiangonana amin’izao fotoana izao.
Mianadahy izao ny Mpitandrina Malagasy am-perin’asa maharitra amin’ny fanompoana ny Fiangonana rehefa nampirisihana tsy hisalasala mialoha ny fanadinana.
Tsy azo vonoina ny afon’ny fiantsoana ary tsy azo atao ny manaiky ho resy amin’ny asan’ny Mpitandrina.
Zava-droaloha no fanomezana avy tamin’Andriamanitra natolony ahy tao anatin’izay 10 taona farany dia:
1. NY VADY SAHAZA sy ny Zanaka mamy
Fanomezana ny fanambadiana ary ny vady sahaza dia avy amin’i JHWH. Tena tsapa izany noho ny fitiavana sy ny fandeferana ary koa ny fanatsarana atolotr’I Ramatoa Melie vadiko (Raharimanana Emeline) amin’ny fanompoana ny Tenin’Andriamanitra (io ministeran’ny teny io no tena maha-Mpitandrina) fa ny sisa dia fampiharana izany. Manomboka ao amin’ny ankohonana ny Fiangonana ary tsy enta-mavesatra ny vady ho antsika protestanta fa hery manosika hikolokolo ny fiantsoana. Ireo vehivavy manetry tena ary lasa mpanompo tsy lazaina na dia miasa mafy aza no tondroina amin’izany! Vehivavy mpankato ny Fiangonana tahaka ny anekeny ny vadiny sy I Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana. Ny 09 Septambra 2000 no nohamasinina tao FJKM Manjakandriana ny fanambadianay (Teny Faneva: Romana 8:9) ary tapa-bolana taty aoriana dia lasa nanohy fianarana aho ny 23 Septambra 2000. Herintaona taty aoriana vao afaka nanaraka ahy izy ary nianatra Allemand tao amin’ny Volkshochschule Heidelberg sy nanohy fiofanana samihafa nifandraika tamin’ny asany mialoha ny nanambadiany ahy. Ny 27 Jona 2002 no teraka tao Heidelberg i Mihamintsoa Sara ary ny 03 Aogositra 2004 no teraka teto Antananarivo i Manantsoa Lukas.
2. NY DIPLAOMA ambony amin’ny Teolojia
Anisan’ny faniriako hatry ny nanitsahako ny tokontanin’ny faculté de Théologie Ambatonakanga ny hanohy fianarana any an-dafy ary ny Allemand sy ny Teolojia dia tsy azo nosarahana. Tao Bielefeld aho no nanohy ny DaF (Deutsch als Fremdsprache) sady nanohy ny teny Hebreo tao amin’ny Kirchliche Hochschule Bethel. Herintaona ihany aho no tao satria rehefa nanao fangatahana hiditra tao amin’ny Ruprecht Karls Univerität Heidelberg dia nekena avokoa ny taranja efa vita tamin’ny Teolojia ary hovitaina ny Grosses Latinum koa isaorana ny Tompo fa rehefa nandalina ny teny Grika tao dia niara-vita ireo ary nirosoana ny asa soratra hahazoana ny Diplaoma amin’ny teolojia ambonimbony kokoa ka ny Teolojia Sistematika dia ny “Dons et profiles de la prophetie à Madagascar de 1840 à 1947” no natao. Vita ny fanadinana amin’ny taranja dimy ny volana Septambra 2007
(Testamenta Taloha sy Vaovao; Tantaram-Piangonana; teolojia Pratika ary ny tena fototra dia ny Teolojia Sistematika). Nekena ho asa doktoraly ny asa soratra vokapikarohana ny volana Oktobra 2007 ka nody niaraka tamin’ny baoritra ary afaka niara-nankalaza ny krismasy 2007 niaraka tamin’ny fianakaviana.
Mpampianatra ao Ambatonakanga aho ankehitriny ary sarotiny amin’ny mahaMpanompon’ny teny ny mpianatra sady mamolavola azy ireo hanaiky ny fandaminan’ny Fiangonana na farafaharatsiny hahay hiara-miasa amin’ny Fiangonana rafitra hita maso (Institutio) sy handinika ny toetr’andro (Zeitgemässigkeit).
Isaorana manokana ireto Mpanompon’Andriamanitra ireto nahavitanay ny fianaranay:
1. Ramose Edmond nampianatra ny ABD voalohany izay nitarika anay hiakatra ny zanatohatra lavabe tsy misy farany.
2. Ramatoa Rakotomavo Simone (Prof d’Anglais)
3. Ramatoa Raminosoa Beby Soa Saholy (Prof d’Allemand)
4. Ramatoa Ramanamihantatsoarana Monique (Prof d’Allemand)
5. Andriamatoa Rakoto Ravalontsalama (Prof d’Allemand)
6. Ramatoa Ramarosata Aline (Dr en Théologie de l’A Testament)
7. Ramatoa Rafalimanana Lilia (Prof du N Testament et de la Dogmatique)
8. Prof Dr Dr Michael WELKER.
Ho tahiana ny fahatsiarovana ireto efa nodimandry ireto ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
v Past Rakotonirainy Jonson (Prof de dogmatique)
v Past Ralibera Daniel (Prof en Histoire de l’Église)
v Past Rajaonarivony Jean de Dieu (Doyen – Prof des Dogmes)
v Past Raveloarison Georges (Prof en Histoire de Religion).
v Past Rakotoharintsifa Andrianjatovo (Prof du Nouveau Testament)
v Past Rabemanahaka Jean (Prof du Nouveau Testament)
IREO FIANGONANA NIARAHA-NIASA HATRAMIN’IZAO
I . TETO AN-TOERANA
SP Anosibe Afovoany teo aloha : SP Atsimon’Iarivo Miray ankehitriny (fanendrena voalohany ny volana Septambra 1996)
1. FJKM Morarano Fahamarinana (anarana nomeko azy ary mbola tanany hatramin’izao)
2. FJKM Ambatomalaza
3. FJKM Amberokely
SP Antananarivo Atsinanana – Faritra Ambatomanga
4. FJKM Antanetilava sy Ampanataovana (Fiangonana niomanana hianatra any an-dafy hatramin’ny Septambra 2000)
SP Antananarivo Atsinanana – Faritra Avaratrandohalo
5. FJKM Imerinkasinina Fanasina sy Faliary Finoana. Fitandremana niaraha-niasa tamin’ny Filoha teo aloha volana vitsy anefa nahitana ny herin’ny Tompo ny 31 Desambra 2008 – Septambra 2010
6. FJKM Ambavahadimitafo amin’izao fotoana izao
II. TANY IVELANY (2000 – 2007)
7. FJKM Suisse Gland
8. FKMBM Belgique
9. EKD Heidelberg
10. Afrikanischer Gottesdienst Heidelberg
11. Fiangonana Kristiana Malagasy Berlin
Ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany
Mangarivotra Mahajanga 13 Aogositra 2011