Fa hilaza fiadànana ho an’ny olony Ny Tompo
Alahady 09 Jona 2024, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo » ka nitondran’ny Antsan’Ambavahadimitafo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 6 : 34-40
» 34Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany. 35Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. 36Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. 37Izay rehetra omen’ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. 38Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy. 39Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy. 40Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany «