Fa namonjy anay tamin’ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra
Alahady 02 Jona 2024, itondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Zokiny (FktZo), ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ».
Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 44 : 1-8
« 1Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ny androny, dia tamin’ny andro fahiny. 2Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. 3Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ny tavanao, satria efa sitrakao izy.4Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’i Jakoba. 5Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. 6Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. 7Fa namonjy anay tamin’ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. 8Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. «