Fifandraisan-tànana @ ny mpitandrina Randrianarisoa Alain
“Koa mifandraisa hianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra” Romana 15.7
Miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’ny Tompo,
Misaotra ny Tompo isika noho ny fitondrany antsika namakivaky iny valan’aretina iny. Mbola antsoiny sy irahany isika hanao ny asany koa dia indreto manohy izany amin’ny finoana sy fitiavana.
Koa miantso ny Sampana sy ny Sampan’asa, ny Fikambanana sy ny Vaomiera, ny Loholona sy ny Diakona, ary indrindra ny Mpandray ny fanasan’ny Tompo rehetra hiara-hientana, hitrotro am-bavaka ny fotoana ary hiombona amin’ny ezaka ara-bola ho atao hanatontosana ny fotoana rehetra ho voninahitr’Andriamanitra na izany ho an’ireo tsy mbola nahatontosa ny fetim – bokatra fa indrindra ny ahafahana miatrika ny fifandraisan – tanana amin’ny ray aman – dreny mpitandrina mianakavy.
Misy ny fàfana milaza ny antsimpirian’ny fandaniana rehetra izay ho zaraina amin’ny fotoana manaraka mba hiomanan’ny tsirairay arak’izay tandrify azy.
Ny Soratra Masina mampatsiahy antsika hoe “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo” Heb 13, 7. Ny fahendrena sy ny fitaizana voaraintsika teto ambavahadimitafo koa nampianatra antsika hanome sy hahafoy arak’izay tratra satria “misy mahafoy, nefa mitombo fanànana hatrany” Ohab 11, 24.
Koa ny fanahin’ny fahafoizana sy ny fitiavana ny asan’Andriamanitra ato anatintsika anie hanome hery antsika ahafahantsika manatanteraka izany fotoandehibe izany.
Ho azy Tompo irery anie ny voninahitra
NY BIRAON’NY FITANDREMANA
NY KOMITIN’NY FIFANDRAISAN – TANANA