Fanentanana 25 taona Pst. Randrianarisoa Alain
« Haleloia, hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho », Salamo 111, 1a
Afaka alahady 2 dia ho tonga ny andro firavoravoantsika hankalazana ny Jobily volafotsy maha-mpitandrina an’Andriamatoa Randrianarisoa Alain mivady.
Hatraiza ny fanomanana ?
- Zoma 02 desambra 2022 : fanompoam-pivavahana hanasàna ny Foibe FJKM, Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, Fiangonana, fianakavian’ny mpitandrina ary ny vahoakan’Andriamanitra, izay arahina sakafom-pifaliana natokana ho an’ireo nasaina rehetra
- Alahady 04 desambra 2022 : fanompoam-pivavahana ho antsika eto amin’ny fitandremana, mitohy amin’ny antsan-kira hoentin’ny tarika VHF miaraka amin’ny fizaràna sakafo maimaim-poana mandritra ny fampisehoana.
Ny komity dia efa nanomana ny :
- taratasy fanasàna ny Foibe, fiangonana …
- fandaharana zoma sy alahady
- mari-pakasitrahana
- fitafian’ny mpitandrina mianakavy
- robe pastorale
- boky Masina
- fanomezana samihafa
Hatraiza ny hatra ?
Raha 75 tapitrisa Ariary no vina, dia efa eo amin’ny an-tsasa-dàlana isika izao. Ny Komity dia maneho etoana ny fisaorana antsika rehetra nanome, Mpandray, sampana, sampan’asa, zanaka am-pielezana … Manàsa anareo hitopi-maso ny fàfana ho fahalalàna ny fanomezana voaray hatramin’ny alahady 13 novambra 2022.
Misy foatoanany ny bitsika ataon’ny Tompo amintsika tsirairay hanatanterahintsika ny anjara fahasoavana omentsika izao Jobily izao. Koa samia mivavaka mba voninahitry ny Tompo, mba hahafoy an-kafaliana hahatrarantsika ny vina.
Koa miantso ny sampana, sampan’asa, vaomiera, loholona sy diakona, mpandray, zanaka am-pielezana, fiangonana manontolo, hanohy, hiara-hientana mba hitrotro am-bavaka ny fotoana ary hiombona amin’ny ezaka ara-bola hanatontosana ny fotoana rehetra ho voninahitr’Andriamanitra.
« Tsarovy ny mpitondra anareo izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo… fa asany isika, voaforona tao amin’ny Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.«
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena