Fanentanana avy @ mpitandrina Randrianarisoa Alain, 15 mey 2020
« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (II Tim 1 : 8)
Ambavahadimitafo, 15 Mai 2020
Ho an’ny mpianakavy amin’ny finoana manerana izao tontolo izao,
indrindra ny eto AMBAVAHADIMITAFO.
Antony : Fanentanana
Ry havako, ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa.
1) Mampahery sy mivavaka ho antsika rehetra na aiza no misy antsika na aiza, noho ny vokatry ny tsimokaretina COVID-19. « Andriamanitra no aro sy hery ho antsika, mpamonjy mora azo indrindra Izy » (Salamo 46 : 1)
2) Fantantsika rehetra fa tena tsy salama Ramatoa Fara RANAIVOSON ; tena mila ny fitondrantsika am-bavaka ny fitsaboana azy. Ary tena zava-dehibe amin’ny Tompo Jesoa ny fanohanantsika koa ara-bola ny fitsaboana izany mpanompon’Andriamanitra izany.
«Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany » (Hebreo 6 :10).
3) Isaorana ny Tompo fa madiva ho vita ny « Toeram-pidiovana » eto amintsika Ambavahadimitafo. Mankasitraka ireo nandray anjara ary mbola manentana antsika tsy nahatanteraka izany.
Ny Alahady 17 mai sy ny Pentekosta 31 Mai 2020 izao dia hisy fitondrana am-bavaka manokana izany asan’Andriamanitra izany sy fiarahantsika mientana amin’ny alalan’ny RAKITRA MANOKANA.
Ho anao tsy ho afaka amin’ireo fotoana ireo dia afaka manontany ny Tomponandraikitry ny « site web »n’ny Fiangonana amin’izay ahazoanao manefa ny anjaranao.
« Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao… Ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao ». (Deotornomia 23 :15).
Mirary ny fiadanan’ny Tompo ho amintsika rehetra.
Amin’ny anaran’ny Fiangonana manontolo.
Ny Mpitandrina
RANDRIANARISOA Alain