Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay
Manasa antsika samy hanatanteraka ny fanompoam-pivavahana isan-tokantrano manaraka ny fandaharana iombonana ho an’ny anio alahady 16 aogositra 2020.
Teny notoriana : Nehemia 3 : 33-38 :
33ARY rehefa ren’i Sanbala fa nataonay ny mànda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, 34dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo? 35Ary Tobia Amonita dia teo anilan’i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin’izay atsangany, dia haharava ny mànda vato ataony.36Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy. 37Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ireo mandrafitra izy.38Ka dia narafitray ihany ny mànda ka tafakambana avokoa hatramin’ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
Fiderana an’Andriamanitra
Salamo 121 sy hira 8 sy vavaka
Hira 461 and 1,6 sy vavaka
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Nehemia 3:33-38;
Jaona 10:11-18;
Apokalypsy 6:9-11
Hira426 and 2
TORITENY
Vavaka
Fanekem-pinoana 3
RAKITRA
Hira 306 sy vavaka
FAMARANANA
Hafatra
TSODRANO
Hira ff24 and 2
Ho an’Andriamanitra ireny ny Voninahitra Amen.
Samia ho tahian’ny Tompo hatrany