Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021
« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20
Andeha isika hiombona amin’izao fandaharana fanompoam-pivavahana Alakamisy 13 mai 2021 izao (Ascension).
Mandinika hatrany ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » isika amin’ity volana mey ity
Fankalazana an’Andriamanitra
Apokalypsy 12:10-11
Hira 171
Vavaka
Sitrapon’Andriamanitra
Kolosiana 3:1-10
Hira 622:1
Fiaiken-keloka
Vavaka
Hira 400:1,5
Famelan-keloka
Romana 8:33-34
Hira 480
Fanekem-pinoana Apostolika
Rakitra confinement
Soratra Masina
Hira 177:2,3
Vavaka
Vakiteny :
– 2Mpanjaka 2:9-14
– Jaona 3:9-15
– Asa 1:6-11
Hira 261:1-2
TORITENY
« Ary rehefa nilaza izany Jesoa, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo ; ary nisy rahona nitondra Azy ireo ka tsy hitany intsony Izy », Asa 1:9.
Anisan’ny foton-dehibe eo @fiainan’ ny mpino sy ny Fiangonana ny Andro Niakaran’i Kristy any andanitra. Zava-dehibe ny krismasy andro nidinan’ny Tompo, fa manohatra izany ny niakarany haka ny toerany any andanitra.
1. »Ary rehefa nilaza izany Jesoa, dia nakarina Izy… »
– Misy ny mpandinika milaza fa tsy maty ny Tompo, ny sasany indray milaza fa tsy maty teo @ hazofijaliana Izy. Noho izany fa tsy zava-dehibe @izy ireny ny fitsanganan’ i Jesoa t@ maty sy ny fiakarany any andanitra.
Ny voambolana ampiasan’i Lioka ilazany ny nitranga t@ Jesoa dia hoe : « Nakarina » izany hoe tena niakatra any andanitra Jesoa fa tsy cinéma.
– Tena niakatra Jesoa na dia tsy takatry sain’olombelona aza ny zava niseho; ny zava-dehibe ho antsika mpino dia ny fahamarinan’ny fiakaran’iJesoa. Aza variana miady hevitra ny @ hoe ahoana ny fomba niakarany; ny zava -dehibe dia tena niakatra ny Tompo, matokia fa manana anjara ao Aminy ianao n’aiza n’aiza misy anao.
Teo aloha dia tao Palestina sy ny manodidina no nandray tombontsoa t@ Jesoa fa rehefa niakatra Izy dia hisitraka izany daholo ny olona sy ny toerana rehetra indrindra @ fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina.
2. »…ary nisy rahona nitondra Azy… »
Ny voambolana faharoa mavesa- danja eto dia ny hoe « rahona » : maneho ny maha Izy azy an’ Andriamanitra (Eks 13:21-22;Lev 16:2).
-Ny fisian’ ny rahona nitondra sy nanakona an’i Jesoa ka tsy hitan’ny mpianany dia fanehoana ny fiverenan’ i Jesoa feno @ maha Andriamanitra Azy. Teo aloha sady olombelona no Andriamanitra Jesoa (Tenin’Andriamanitra tonga nofo Jaona 1:14), fa eto kosa dia miverina @ maha Andriamanitra Azy Jesoa.
– Ny zava-dehibe amintsika mpino izay ambaran’ny Lioka eto : ilay Jesoa niakatra dia manana ny hery sy ny fahefana rehetra, ka na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona manjo anao dia manohana @ trangam- piainana rehetra Izy. Ny fiakaran’i Jesoa ihany koa dia tena tombony lehibe ho antsika :
* mifona ho antsika Izy (fifaliana lehibe izany hoe voavela heloka isika )
* nandrotsaka ny Fanahy Masina ho antsika Izy mba hampahery sy hitarika antsika haefa be @ ireo adidy sy andraikitra izay hanirahany antsika na @ mora fa indrindra @ sarotra.
Fehiny fotoan-dehibe iankinan’ny hoavin’ny mpino sy izao tontolo izao ny niakaran’ny Tompo any andanitra koa andeha isika hisaotra sy hijoro vavolombelony hiaraka @ mpanao salamo manao hoe : « misaora an ‘ny Jehovah ry fanahiko;ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina. Misaora an’ i Jehovah ry fanahiko ary aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra…« .
Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra, Amen
Vavaka fangatahana
Hira 150
TSODRANO
Apokalypsy 1:6
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina