Fisoràtana anarana Alahady 17 mey 2020
Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.
Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ny amin’ny fanompoam – pivavahana amin’ny alahady faha – 17 may 2020.
1. Misoratra anarana eto amin’ny site web, na ao amin’ny Facebook na ao amin’ny sacristain (Rakotonandrianina Tantely) na ao amin’ny laharana 034 36 311 76 izay hivavaka amin’ny alahady faha – 10 may 2020.
2. Hisy fidirana in – efatra amin’ny alahady izao:
- 7 h 45
- 9 h 00
- 10 h 15
- 11 h 30.
Afaka misafidy amin’ireo ora fidirana ireo izay tonga hivavaka. Saingy kosa rehefa feno ny isa 35 amin’ny ora izay nanaovana safidy dia halamina ny mpivavaka hiditra amin’izay ora malalaka kanefa tsy nosafidiana.
Ny zoma faha – 15 may amin’ny 12 h 00 no farany fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitra ny sabotsy faha – 16 may 2020.
3. Mbola mitombina avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana izay napetraka (manao aro vava, elanelana 1 metatra, soratana ny anarana, fanampin’anarana, adiresy ary laharana finday,…).
4. Noho ny antony ara – pahasalamana dia tsara raha tsy mitondra zaza latsakin’ny folo taona. Dia tahaka izany ihany koa ireo olona marefo ara – pahasalamana.
5. Hivoaka eto amin’ny site web sy ny facebook ny alahady hariva amin’ny 18 h 00 ny fanompoam – pivavahana.
Dia mankasitraka antsika mpianakavin’ny finoana ny amin’ny fanarahana ny fandaminana.
Dia maniry soa ho antsika tsirairay avy dia samy ho tahian’Andriamanitra.
Ny Biraom-piangonana