Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily
Mifikira amin’ny tsara (Romana 12:9)
« Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily »
Ireo no teny faneva nofinidin’ny komitin’ny faha 90 taonan’ny Tily et Madagasikara ary ankalazaina manomboka izao izany.
Niantomboka tamin’ny 1924 ny fitaizana skotisma teto Madagasikara, ary raha ny FJKM Ambavahadimitafo manokana dia tamin’ny andron’nympitandrina Ralambomahay tamin’ny 1949.
Ny Jeneraly Raveloarison (Loholona eto amin’ny fiangonana) no voafidy hitarika ny komitin-jobily faha 90 taonan’ny Tily eto Madagasikara, koa manentana ny fiangonana izy noho ireo tanjona telo nofinidin’ny komitin-jobily :
– fanetsehana ny hery rehetra eto amin’ny fikambanana
– fanomezana hery sy aina vao ny fikambanana
– fivohizana toe-tsaina sintomina amin’ireo teny faneva
Amin’ny asabotsy 9 novambra 2013 amin’ny 9 ora ao @ Ecole Normale Supérieur Ampefiloha dia hisy ny hatrikasa handinihana ireo asa rehetra hotanterahina, izay ahitana vaomiera aim-panahy, lasin-jobily, vola, mpitan-tsoratra…
Ny hariva kosa dia hisy ny Tolakandro Ainga Jobily izay hanangonana ny hery rehetra koa manentana ny fiangonana manontolo sy ireo namana rehetra nandalo tao amin’izany fitaizana Tily izany ary ireo izay mbola ao, koa manasa izay manam-pikasana hanohana ny Komitin-jobily mba ho avy any ary hanao tolo-tànana ary handrotsaka izay fohy noho izany.
Amin’ny 30 novambra 2013 kosa no fanokafana ny taon-jobily ao @ Palais des Sports Mahamasina ka hisy fanompoam-pivavahana hanamarihana izany, ary korana ihany koa.
Hofaranana amin’ny lasy lehibe any amin’ny volana aogositra 2014 izany fankalazana izany ary marihina fa manerana ny Madagasikara ny fankalazana.
Nanao tsiahy vetivety ny mpitandrina Rakotoniera Eric fa avy amin’ny Tily no niainga ny FFPM : fampiraisana ny fiangonana loterana sy reformée.
Avy amin’izy ireny no niainga ny hafanam-po hoe mba hisy fanekem-pinoana hiraisana, fihirana hiraisana (1975)… Koa nampahery azy ireo ny mpitandrina.