Herintaona niorenana ny TMT na Tranainy Mitambatry la Treize
Nomarihina ny Alahady 20 Jolay 2014 lasa teo teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny herintaona nanorenana ara-dalana (20 Jolay 2013 – 20 Jolay 2014) teo anivon’ny Fiangonana ny Fikambanana TMT (Tranainy Mitambatry la Treize) izay niara-niasa tamin’ny KP Komitim-Pivondronan’ny SAMPATI faha XIII tamin’ny lafiny maro ary natsangana mba hanamafy orina ny firaisankinan’ireo Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza rehetra, hanampy ny KP amin’ny fampandrosoana ny fitaizana skotisma atao eo anivon’ireo mbola eo am-perinasa, hampanjaka ny firahalahiana sy fifankatiavana, hanompo an’Andriamanitra ary hiasa ho an’ny Tanindrazana.
Nanao fanamiana mitovy daholo ny tranainy izay nandalo tao anatin’izany fitaizana skoto izany ary notronon’ireo ankizy amperinasa ankehitriny ka niara-hiredona ny hiran’i Chef RAMINO Paul izay nandraisana ny antso manao hoe « Efa reko hatry ny elabe ny antsonao ry taniko ».
Taorian’ny fotoam-pivavahana maraina dia nisy ny fihaonan’ny TMT sy KP teny an-tokantranon’i Chef SAGAM tao Antsahabe. Nasehon’izy ireo tamin’io fotoana io ny fahavononany hiray hina ka nandinihina indrindra izay fomba hampandraisana anjara ny am-perinasa amin’ny LASIN-JOBILY izay ho tanterahina ny 01 – 05 Aogositra sy 23 -28 Aogositra 2014 ho avy izao eny AMBATOMANGA. Hisy hetsika sakafo BARIKETIM-PIFALIANA, izay hiaraha-miombon’antoka sy manatanteraka ny Alahady 17 Aogositra 2014 izao, ary hanentanana ny rehetra ny hividy ny karatra 10 000 ariary hahazoana izany, ho enti-mandefa ny Voronkely sy ny Tily amin’ny LASIN-JOBILY.
Ny TMT dia hamonjy ny fotoam-panokafana ny LASIN-JOBILY ny Sabotsy 23 sy Alahady 24 Aogositra 2014 eny AMBATOMANGA ka ny fandaminana izany dia hatao ao amin’ny Local Scout aorian’ny fotoam-pivavahana maraina ny Alahady 17 Aogositra 2014”.
Mirary soa ho antsika rehetra.
Chef NDREMA (Serasera TMT)