Hira fanevan’ny faha-150 taona : Ho voninahitrao
Ho voninahitrao
(Hira fanevan’ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo 1863 – 2013)
Alaivo eto ny solfa : HoVoninahitrao
1 – Ho voninahitrao ry Ray
Midera Anao izahay
Taona maro nifandimby
Tojo izao taon-jobily izao
Samy ravo tafahoana
‘Zao ny Fiangonanao
Dimapolo amby zato taona
Ambavahadimitafo tinao
2 – Ho voninahitrao ry Jeso
Manetri-tena izahay
Jereo amin’ny indrafonao
Ka ampianaro
Mba hiray fo, saina, fanahy
Ô ! Tarihonao ‘zahay
Fa fitsapana maro
No sedrainay ety.
3 – Ho voninahitrao Fanahy
Aoka ny teninao
No itarihanao anay
Sy ireo taranakay
Hanam-pahendrena feno
Hampandroso ny asanao
Ho tena mpirahalahy
Mahay mifankatia
Fiv.
Ô Ray malala ( Tariho ny Fiangonanao) ô !
Hijoro ho (tena Fehizoro) Anao
Aoka ho aminay ny fahasoavanao Tompo ô !
Andriamanitray Hianao,
(Fiv. and 3)
Koa ampitoero aminay ny asan’ny tananay
Ho voninahitrao ry Ray
Tonony : Noro Raveloson
Feony : Ratsimba Ny Aina Hery-Zo
Nandrindra : Raveloson Hery Nandrianina