Hisy ny fanompoam-pivavaha amin’ny Alakamisy 21 mey 2020, andro fiakarana
Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.
Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ny amin’ny fanompoam – pivavahana amin’ny Alakamisy 21 mey 2020.
1. Ireo maniry hivavaka amin’ny Alakamisy 21 mey 2020 dia afaka misoratra anarana :
- eto amin’ny site web
- na ao amin’ny Facebook FJKM Ambavahadimitafo
- na ao amin’ny sacristain (Rakotonandrianina Tantely)
- na ao amin’ny laharana 034 36 311 76
2. Hisy fidirana in-3 @ Alakamisy izao : ka manasa anao hisoratra anarana eto :
Afaka misafidy amin’ireo ora fidirana ireo izay tonga hivavaka. Saingy kosa rehefa feno ny isa 35 amin’ny ora izay nanaovana safidy dia halamina ny mpivavaka hiditra amin’izay ora malalaka kanefa tsy nosafidiana.
Ny talata 19 may amin’ny 18 h 00 no farany fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitra ny alarobia faha – 20 may 2020.
3. Mbola mitombina avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana izay napetraka (manao aro vava, elanelana 1 metatra, soratana ny anarana, fanampin’anarana, adiresy ary laharana finday,…).
4. Noho ny antony ara – pahasalamana dia tsara raha tsy mitondra zaza latsakin’ny folo taona. Dia tahaka izany ihany koa ireo olona marefo ara – pahasalamana.
5. Hivoaka amin’ny site web sy ny facebook ny Alakamisy hariva amin’ny 18 h 00 ny fanompoam – pivavahana.
Dia mankasitraka antsika mpianakavin’ny finoana ny amin’ny fanarahana ny fandaminana.
Dia maniry soa ho antsika tsirairay avy dia samy ho tahian’Andriamanitra.
Ny Biraom – piangonana.