Hoy Jesoa : « vahao izy, dia ento ety amiko »
Alahady 28 martsa 2021, andro voalohany @ herinandro masina, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 21; 1-10 : « 1ARY raha nanakaiky an’i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento et? amiko. 3Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’izay izy.4Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:5,,Lazao amin’i Ziona zanakavavy;Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao,Malemy fanahy sady mitaingina boriky,Dia zanaky ny boriky miasa’’ (Zak. 9.9).6Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian’i Jesosy azy, 7dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. 8Ary ny ankabiazan’ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dàlana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dàlana koa izany. 9Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe:Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah!Hosana any amin’ny avo indrindra (Sal. 118.26).10Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao? 11Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany, Izay avy any Nazareta any Galilia. »