Ilay zanaka adala
Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM.
Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 « 25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’izany zavatra izany. 27Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’osy aza mba hifaliako amin’ny sakaizako; 30fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’omby nafahy ianao. 31Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. «