Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko
Toriteny nentin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric, ny alahady 27 oktobra 2013, alahadin’ny Sampana FIfohazana manerana ny sahan’ny FJKM.
Ny nangalana ny hafatr’Andriamanitra dia ny Genesisy 24 : 12-28 :
« 12Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. 13Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; 14koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho : dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko. 15Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’i Betoela, zanakalahin’i Milka, vadin’i Nahpra, rahalahin’i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. 16Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. 17Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ny sininao aho. 18Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy. 19Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro. 20Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ny ramevany rehetra izy. 21Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin’i Jehovah ny nalehany, na tsia. 22Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’orona volamena iray, lanjan’ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ny sekely folo, hatao amin’ny tànany; 23ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon’ny rainao? 24Ary hoy izy taminy: Zanakavavin’i Betoela, zanakalahin’i Milka, izay naterany tamin’i Nahora, aho. 25Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa. 26Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah, 27ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ny tompoko; fa izaho dia notantanan’i Jehovah teny an-dalana ho at? an-tranon’ny havan’ny tompoko.
28Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ny tao an-tranon’ny reniny. »