Jehovah, Izy no Andriamanitra
Alahady 14 Aogositra 2022, alahadin’ny martiora, mbola andinihantsika FJKM ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana« .
Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitory ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny 1Mpanjaka 18;21-39 : « 21Ary dia nankeo amin’ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.22Dia hoy Elia tamin’ny olona: Izaho dia izaho irery ihany no sisa amin’ny mpaminanin’i Jehovah; fa ny mpaminanin’i Bala kosa dia dimam-polo amby efa-jato lahy. 23Koa aoka ireo no hanome vantotr’ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao. 24Ary miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo hianareo, ary izaho kosa hiantso ny anaran’i Jehovah; koa Izay Andriamanitra mamaly amin’ny afo, dia aoka Izy no ho Andriamanitra. Ary ny olona rehetra namaly hoe: Marina izany teny izany.25Ary hoy Elia tamin’ireo mpaminanin’i Bala: Mifidiana vantotr’ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha hianareo, satria hianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao. 26Dia naka ny vantotr’ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’i Bala hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ny alitara izay nataony izy.27Ary nony nitataovovonana ny andro, dia nanesoeso azy Elia ka nanao hoe: Miantsoa mafy ihany, fa andriamanitra izy; angamba sondrian-dresaka izy, na miavela, na nisy nalehany, na matory angaha izy ka tsy maintsy hofohazina. 28Dia niantso mafy indray ireo sady nitetika ny tenany araka ny fanaony amin’ny sabatra sy ny lefona mandra-paha-loa-dra tamin’ny tenany. 29Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin’ny fotoan’ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.30Ary hoy Elia tamin’ny olona rehetra: Manatòna ahy. Dia nanatona azy ny olona rehetra. Ary Elia namboatra ny alitaran’i Jehovah izay efa rava 31ka naka vato roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny firenen’ny zanak’i Jakoba, izay nihavian’ilay tenin’i Jehovah hoe: Isiraely no ho anaranao; 32ary izany vato izany dia nataony alitara ho an’ny anaran’i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan’ny famarana. 33Ary nandahatra ny kitay hazo izy, dia nandrasa ny vantotr’ombilahy ka nametraka azy teo ambonin’ny kitay hazo, 34dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ny fanatitra dorana sy amin’ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa. 35Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.36Ary nony tamin’ny fotoan’ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. 37Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.38Dia latsaka ny afon’i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ny hady kely. 39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra. «
Andeha hiombonantsika izany fanompoam-pivavahana izany :