Jesoa Kristy no Ilay mazava
Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra.
Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’izay miditra ny mazava. 34Ny masonao no jiron’ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao. 35Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao 6Ary amin’izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao. »