Jesoa manavao ny fanompoan’ny fiangonana
Alahady 23 oktobra 2022, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Havaozy ny fanompoan’ny fiangonana« , natokana hitondrana am-bavaka ny Sampana Fifohazana manerana ny sahan’ny FJKM.
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 5 : 21-26 « 21Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: „Aza mamono olona” (Eks. 20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana. 22Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ny rahalahiny hoe: Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin’ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin’ny helo mirehitra afo. 23Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, 24dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.25Mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao, raha mbola miara-dia aminy hianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin’ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao ao an-trano-maizina hianao. 26Lazaiko aminao marina tokoa: Tsy ho afaka ao mihitsy hianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany indrindra.«
Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :