Jobily faha-100 taona nahaterahan’ny mpitandrina Daniel Ratefy
Ankalazaina ny alahady 20 oktobra 2013 eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny fankalazana ny faha 100 taona nahaterahan’ny mpitandrina Daniel Ratefy.
Na dia maro aza ny fiangonana afaka mandray izany, dia nanaiky am-pitiavana ny fianakaviana ny hanatanterahana izany eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.
Ny taranany no hamintina ny tantaram-piainany amintsika, mba hahafantarantsika izany olo-malazan’ny protestanstisma sy ny oekiminisma ao anatin’ny FFKM sy
FFPM izany.