Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.
Alahady 06 novambra 2022, hiarahana misantatra ny teny faneva amin’ity volana ity manao hoe « Miomàna handray ny Mpamonjy« .
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 24 : 42-51 : » 42Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. 43Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 44Koa miomana kosa ianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona. 45Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? 46Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. 47Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 48Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko, 49ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ny mpimamo, 50dia ho avy ny tompon’izany mpanompo izany amin’ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ny ora izay tsy fantany, 51dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. »
Manasa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :