Kolokoloy ny fanambadiana fa tahaka ny voninkazo, raha tsy misy rano mamelona azy dia malazo
Ny mpivady izay eo anelanelan’ny 0 taona ka hatramin’ny 25 taona nivadiana dia antsoina hiofana ny 31 jolay 2011 tontolo andro
Misy ny taratasy fenoina ho an’ireo izay haniry hanatrika izany izay azo alaina ao amin’ny trano fisainana.
Zavatra omanina :
– 10000Ar (ao anatin’io ny saran-dàlana, sakafo mafana)
– sakafo entinao avy any an-trano
Ho fisian’ny firaisana dia fiara hiombonana no hiarahana miainga sy hiverenana eto Antananarivo. Tsy afaka mitondra fiara manokana ianao.
Miainga eto Ambavahadimitafo amin’ny 7ora sy sasany, ary midina eny amin’ny Esplanade amin’ny 8 ora.
Ny toerana dia eny amin’ny Espace Tsararivotra Vontovorona
Ny ora fodiana kosa dia amin’ny 4 ora
Io fotoana io no mba hamelombelomnana ny tokantrano rehetra eto amin’ny fiangonana koa manentana anareo.