Manazava ny mpino ny Tompo
Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22 » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta. 18Fa nentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta. 19Ary nentin’i Mosesy niaraka taminy ny taolan’i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala at? miaraka aminareo ianareo. 20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ny efitra. 21Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’alina. 22Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.«