Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa
Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka farantsakely roa an-kevitry ny variroaventy avy. 43Ary Jesosy niantso ny mpianany hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra. 44Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany ho nandatsahany tao; fa izy kosa, tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra« .
Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :