Maty ny finoana raha tsy misy asa
Alahady 24 Jolay 2022, mbola hibanjinina ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Jakoba 2 : 21-26 « 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ,,Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’’ (Gen. 15.6), ary natao hoe ,,Sakaizan’Andriamanitra’’ izy (Isa. 41.8). 24Koa dia hitanareo fa hamarinina amin’ny asa ny olona, fa tsy amin’ny finoana ihany.25Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny làlan-kafa? 26Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa. «