Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao
Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6
« 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany; 2dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra ary arivo taona, 3dia nanipy ary ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nanidy izany, dia nanisy tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; ary rehefa afaka izany, dia tsy maintsy hovahana kelikely aloha izy. 4Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, ary nomena fahefana hitsara izy; ary hitako koa ny fanahin’izay notapahin-doha noho ny filazana an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika ho eo amin’ny handriny na ho eo amin’ny tànany; ary velona izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona. 5Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany. 6Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; ireo tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona. »