Mikeleza aina @ asa fitoriana
Alahady 04 septambra 2022 andinihina lohahevitra vaovao amin’ity volana ity « Mikeleza aina @ asa fitoriana« .
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 10:1-7 « 1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany. 2Ary hoy Izy taminy: Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra. 3Mandehana; indro, Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo ampovoan’ny amboadia. 4Aza mitondra kitapom-bola, na kitapom-batsy, na kapa; ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. 5Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. 6Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany. 7Ary mitoera ao amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano. »
Andeha ry havana hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :