Misokatra ny fiangonana ny alahady 06 septambra 2020
Miarahaba antsika amin’ny anaran’ny Tompo.
Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa afaka hiverina hivavaka ao amin’ny trano fiangonana indray manomboka ny alahady 6 septambra 2020. Koa dia toy izao manaraka izao ny fandaminana :
1. Miditra indroa ny fanompoam – pivavahana :
– amin’ny 8 ora maraina (fidirana voalohany)
– amin’ny 10 ora maraina (fidirana faharoa)
2. Misoratra anarana amin’ny facebook na eto @ www.fjkm-ambavahadimitafo.info na amin’ny laharana finday 034 36 311 76 izay manam – paniriana hanatrika ny fanompoam-pivavahana. Ampiarahana amin’ny fisoratana anarana ny fanamafisana ny ora tiana hidirana.
Marihina anefa fa mety tsy ho voatery hifanojo ny ora izay tianao hidirana sy ny ora tena hidiranao mivavaka. Tsara koa ny manamarika fa olona 32 isaky ny fidirana ihany no afaka misoratra anarana hanatrika ny fanompoam – pivavahana maraina raha tsy mihoatra ny 50 ny olona afaka mivory amin’ny toerana iray.
3. Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana izay efa nahazatra antsika nandritra izao hamehana ara – pahasalamana izao.
4. Ny zoma 4 septambra 2020 amin’ny 18 h 00 no fara – fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitry ny olona hivavaka ny asabotsy 5 septambra 2020.
6. Hivoaka eto amin’ny www.fjkm-ambavahadimitafo.info sy ny Facebook ny alahady hariva amin’ny 18 h 30 ny fanompoam – pivavahana maraina.
Dia mankasitraka antsika ny amin’ny fanarahana ny fandaminana ary dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.
Ny Biraon’ny Fitandremana