Na inona na inona, tadidio fa mbola hihaona amin’ny Jesoa ianao rehefa tonga ny fotoana dia hahazo ny fiainana mandrakizay.
Alahady 25 Aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny mpino« .
Ny hafatr’Andriamanitra dia araky ny Jaona 17:11-12: « Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika. 12 Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy ; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany ; mba hahatanteraka ny Soratra Masina. «