Nosokafana ny jobily faha 60 taonan’ny sampati faha-XIII Ambavahadimitafo
Nosokafana ny alahady faha 04 oktobra 2009 teo ny fankalazana ny jobily faha 60 taonan’ny SAMPATI faha 13 Ambavahadimitafo, ka ny teny faneva entina hankalazana izany jobily izany dia araka izay hita ao amin’ny bokin’i Daniela 12: 3a « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra »
Nandritra io fotoana io no nanolorana ireo komity maromaro hitantana sy hikarakara ny hetsika rehetra entina hankalazana izany taon-jaobily izany. I Chef Prédon RAHARIJAONA moa no filohan’ny fankalazana izay isan’ny nanorina ny fikambanana tamin’izany , ary natolotra teo koa ireo filohambonihitra dia I Ramaroson Haja, Rabenjamina Charline, Andriamihamisoa Mamy, Raveloarison Léon Claude ary chef Mamy Andriantsoa.
Nisy fandraisampitenenana fohy mo nataon’ny solotenan’ireo filoham-boninahitra ka nampatsiahiviny tamin’izany ny fotoana nitsanganan’ny fikambanana voalohany tamin’ny taona 1949 izay pasteur Jean Baptiste Ralambomahay no anisan’ny angady nanana sy vy nahitana ny fikambanana tamin’izany.
Tamin’io alahady io ihany ko no nanararaotan’ny solotenan’ny foibe tily niarabana sy nanolorana loka ho an’ny fokonolona Ralambomahay teto Ambavahadimitafo raha nahazo ny laharana voalohany tamin’ny rodorodo nasionaly (concours technique) natao tamin’ny volana aout 2009 farany teo izay niainga tao Antanifotsy ka nifarana tany Ambositra,
Nofaranana tamin’ny fiarahamisakafo sy fanateram-bokatra moa ny fanokafana ny jobily, izay nahafapo tokoa satria dia nahatratra teo amin’ny 200 teo ireo tranainy namaly ny antso tamin’ ity sakafom-pihaonana ity, ka dia niara-namerina indray ireo hira sy lalao fanao fahiny, nisy aza moa ny nitantara ny fotoana nahafinaritra tamin’ny fandalovany tao amin’ny fikambanana.
Mbola maro moa ny fandaharam-potoana ho entina hankalazana izao jobily izao, toy ny fifaninana ara-panatanjahantena ataon’ny sampana, fivoahana antsaha miaraka amin’ny tranainy, famoahana boky milaza ny tantaran’ny fikambanana, ary indrindra ny lasy lehibe. Fa ny akaiky indrindra dia ny 28-29 novembre 2009 ho avy izao dia ny fivoahana antsaha izay mbola eo ampamolavolana moa ireo komity ka ho heno miandalana eo ihany ny mombamomba izany.
Farany, nandalo tao amin’ny fikambanana tily sy mpanazava isé ? sa mbola amperin’asa ankehitriny? Tadidin’ise ve ilay fitenin-tsika hoe Tily/Mpana indray andro Tily/Mpana mandrak’izay?
Miandry an’ise ary izahay hifanotrona amin’ireo fandaharam-potoana maro hankalazana izao jobilin-tsika izao, indrindra fa ny fananganana ny tantaran’ny fikambanana. Irinay fatratra ny hisian’ny diampenin’ise sy ny sarin’ise amin’ izany tantara izany.
Tanana Ankavia