Nosokafana tamin’ny fombam-piangonana ny toera-pidiovana
» 13Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ny toby ho fivoahanao; 15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao Izy ka tsy hiala aminao. », Deotoronomia 23 : 13, 15
Isaorantsika ny Tompo Andriamanitra fa niara-niasa tamin’ny fiangonana tokoa Izy nahazoantsika nanatanteraka izany teniny izany. Vita soa aman-tsara ny trano fidiovana ka isaorantsika ny Tompo izany, satria noho ny fitiavan’ny Tompo tao anatintsika rehetra no nahavitana izany asa lehibe izany.
Mankasitraka antsika nataon’Andriamanitra ho mpiara-miasa Aminy hanatanteraka izany asa izany : Tetik’Asa Mendrika, Biraom-piangonana, Vaomieran’ny fanànana, isika rehetra niara-nientana tamin’ny fanaraha-maso, fanatanterahana izany asa izany; indrindra ireo teknisiana tsy voatanisa eto. Isaorana ny Tompo izany rehetra izany.
Ny Voninahitra anie ho Azy, fa ny fitahiany kosa hirotsaka amintsika mandrakariva.