Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra
Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7
» Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo: Matahora Izay manam-pahefana hanary any amin’ny helo, rehefa novonoiny; eny, hoy Izaho aminareo: Matahora Azy. 6Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. 7Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. «