Ny fahazazany sy ny fahatanorany
Nazoto nanao sekoly alahady sy lovitao tao Ambohitantely izy. Nisy koa moa ireo zokiny tao amin’ny fianakaviana nanao izany ka dia nahafinaritra azy ny niaraka tamin’izy ireo.
Rehefa afaka CEPE izy dia nianatra tao amin’ny kolejy Rasalama. Tsy nisy olana koa ny fianarany tao.
Nanomboka tia namaky boky ary nazoto nampianatra ireo zandriny izy. Tamin’izany no nanombohany liana tamin’ny resaka politika.
Nisy rahateo moa ny raharaha teto amin’ny firenena tamin’ny taona 1975.
Teo amin’ny fialam-boly, rehefa ao an-trano dia matetika no nanao daomy fa io moa no tena tian’ny rainy. Rehefa misy fivoriam-pianakaviana dia niara-nilalao karatra tamin’ny rehetra izy. Tia nilalao “echecs” sy fanorona izy, ary ny nahagaga dia naleony nilalao niaraka tamin’ny olon-dehibe fa resiny foana ny ankizy nitovitovy taona taminy ka tsy nampazoto azy.