Ny fahazazany sy ny fahatanorany
Nifindra nianatra teny amin’ny lycée Gallieni teny Andohalo izy rehefa afaka BEPC tamin’ny 1978 Tamin’izany no azo lazaina fa tena nitomboan’ny fitiavany ny fivavahana sy ny fanarahana ny politika. Nafana ny resaka politika teto Madagasikara ary tena liana tamin’ny adi-hevitra politika, toa an-drainy, izy tamin’izany.
Nazoto nihaino radio avy any ivelany sy avy eto an-toerana mikasika ny fivavahana kristiana izy. Tsaroana eto ny hoe Radio Reveil Paroles de vie sy ny radio FEBA izay
fihainony matetika, somary sarotra ihany ny nahazo azy ireo, ny teknolojia moa tsy mbola tena lasa lavitra ohatry ny ankehitriny tamin’izany. Mpanao tafika masina niaraka tamin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly izy ary nahavita ny kilasy rehetra indrindra teo amin’ny sekoly alahady. Teo amin’ny kilasy voalohany “Premiere” teo izy no niteny tamin’ny ray aman-dreniny ny hoe hanao pasitera. Tsy nanakana azy moa ry zareo fa dia nanampy azy tamin’izany. Nanomboka nividy boky momba ny teolojia na dia mbola tany amin’ny lycée aza. Ny anisan’ny voalohany tamin’izany ny boky kely maromaro amin’ny hoe “Etudes Théologiques et Réligieuses”.