Ny fahazazany sy ny fahatanorany
Tena tia vaki-boky izy satria vetivety kely dia vitany ny boky iray. Teo dia nanomboka feno tsikelikely ilay fitoeram-boky namboarina ho azy. Ny pasitera Rakotovao Andrianjaka, izay nonina teo Ankorahotra ihany sady havany rahateo, dia nanomboka nampindrana azy boky momba ny teolojia.
Tia tenim-pirenena izy. Tena sarotiny tamin’ny teny Malagasy ary tezitra mihitsy aza indraindray rehefa nandiso na an-tsoratra na am-bava ireo zandriny. Ho fiomanany tamin’ny fianarana teolojia dia nanomboka nianatra kely teny latina tamin’ny reniny izy.
Tany amin’ny lycée moa dia nianatra teny rosiana izy, izay notohizany rahateo teny amin’ny oniversité.
Bacclauréat litteraire (A2) moa no nataony tamin’ny 1980, na dia mbola kilasy voalohany “premiere” aza izy, ka rehefa vita ny fanompoam-pirenena dia niditra teny amin’ny oniversité sy tao amin’ny “Institut Protestant de Théologie” teny Faravohitra izy. Io moa no niova ho Faculté de Théologie tato aoriana.
RAKOTOHARINTSIFA Ny Andry