Ny Fikambanan’ny Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo
Ny Fikambanan’ny Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo dia efa ela no nisiany ary niarahany niasa tamin’ny SAMPATI faha-XIII fa vao herintaona kosa izay no nanorenana azy ho ara-dalana teo anivon’ny Fiangonana ka niantsoana azy hoe TMT (Tranainy Mitambatry la Treize) ary anisan’ny asa efa vitan’izy ireo ny fanampiana ireo Tily sy Mpanazava amperinasa amin’ny lafiny maro sy ny fikojakojana ny local scout ary ny fananganana tsangambato amin’ny fotoan-jobily toy ny seza vato eo an-tokontanim-piangonana tamin’ny Jobily faha-60 taonan’ny Fivondronan’ny Tily sy Mpanazava faha-XIII ny taona 2009.
Ny TMT dia natsangana mba:
- Hanamafy orina ny firaisankinan’ireo Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza rehetra.
- Hanampy ny Komitim-Pivondronana KP amin’ny fampandrosoana ny fitaizana skotisma atao eo anivon’ireo mbola eo am-perinasa.
- Hampanjaka ny firahalahiana sy fifankatiavana.
- Hanompo an’Andriamanitra ary hiasa ho an’ny Tanindrazana.
Nisy ny soritrasa maro efa vita (jereo ny sary niarahana) ary feno herintaona amin’ny Alahady 20 Jolay 2014 izao ny TMT. Ho marihina amin’ny fotoam-pivavahana iraisana izany ny marainan’io andro io manomboka amin’ny 9 ora ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Hanao fanamiana mitovy daholo isika tranainy izay nandalo tao anatin’izany fitaizana skoto izany ary hotronon’ireo ankizy amperinasa ankehitriny ka hiara-hiredona hira iray izay nandraisantsika ny antson’ny Tompo.
Koa manentana antsika rehetra hiara-hanafana ny fihaonana sy ny fiarahana ary ny famerenan-kira ny Sabotsy 12 sy 19 Jolay 2014 izao manomboka amin’ny 3 ora ao amin’ny Local Scout Ambavahadimitafo”.
Tanana Havia,
Chef NDREMA (Serasera TMT)
<hr/>