Ny fitiavana ny olona
* Ny fitiavana namana no fitiavana ny tena indrindra.
* Tokony ho mailo mandrakariva izay tia noho ny harena sy ny hatsarana ivelany.
* Ny tia manisy soa dia fandoavan-trosa, ny tia izay tia dia famaliana adidy fa ny tia ny tsy tia no tena fitiavana.
* Aza mitanila FITIAVANA ny tiana mety hivadika, ary ny tsy ahoana mety ahavonjy.
* Tsy misy maharesy fitiavana, raha tsy fitiavana tahak’azy.
* Izay ta-hahalala ny toetr’olona tiany dia diniho aloha ny halehan’ny fitiavany.
* Alohan’ny hitiavanao azy dia heritrereto aloha ny mety ho haratsiany sy fahalemeny dia tsy hanavao anao raha tonga izany fotoana izany.
* Ny fandeferana dia tsy faharesena, fa fandresena amin’ny fotoana tsy ampoizina. Koa ny maniry ny tsy anjara dia fahoriana, fa ny mionona ny an’ny tena no tena fiadanana. Ny tia mandefitra.