Ny hevitry ny Ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (1-2)
Tahaka ny finoan’ny firenena rehetra ny fisian’Andriamanitra, dia niara-nino koa izy fa misy ny fanahy. Tsy azo afenina anefa fa ny olon-kendry sasany dia milaza fa tsy misy akory ny fanahy. Tenan-javatra (matière) fotsiny izao rehetra izao. Ny sasany kosa manambara fa fanahy fotsiny izao rehetra izao. Fitaka amin’ny fijerena sy ny hevitra fotsiny ny tenan-javatra, hoy izy. Saiky ny barabara rehetra kosa dia mino fa nofo fotsiny ny olombelona. Ny fianarana be loatra efa nampiradarada ny sasany ; ny tsy fahitana fianarana kely akory kosa dia nanambany ny sain’ny sasany. Kanefa tsy foana akory ny finoan’izao tontolo izao fa misy ny fanahy. Ny Baiboly no mampianatra mazava fa ny olombelona dia nofo misy fanahy.
Misy fetra anefa ny fahaveloman’ny nofo. Miara-mino izany ny firenena rehetra. Mety maty ny nofontsika ; nefa kosa ny fanahy tsy mba miara-devona aminy. Ary rehefa misaraka izy, ny fanahy dia atao hoe, ao amin’ny fiainana tsy hita.
Tsy mitovy anefa ny hevitry ny olombelona rehetra ny amin’ny fahafatesana sy izay alehan’ny fanahy rehefa misaraka toy izany. Ny razantsika Malagasy dia nanana ny finoany ; ary mety ny mahalala izany, fa ny mahafantatra ny tantaran’ny razana dia isan’ny mampandroso ny firenena. Toy inona ary ny hevitry ny Ntaolo ny amin’ny fiainan-tsi-hita?
1. Nino izy fa ny fahafatesana dia fahavoazana. Hevitry ny razana izany. Tsy takatry ny sainy velively akory ilay hevitra Kristiana hoe : “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony”. Tombom-barotra ny fahafatesana satria fodiana eo amin’i Kristy ; lalana mankamin’ny fiainam-baovao ; fialana amin’ity nofo be fahoriana ity. Fa raha ny Ntaolo kosa, fahavoazana, fatiantoka, fahalevonana, loza, izany no niheverany azy. Koa ny fahafatesana dia natahorany fatratra. Angamba hisy hanao hoe : Iza no tsy hatahotra fahafatesana? Moa tsy mamy ny aina? Eny, kanefa tsy mba ny tahotra ny fahafatesana ho avy no nananan’ny razana fa izao : Natahotra izy fa rehefa maty ny olona dia tsinontsinona intsony.
Ny teniny sy ny fombafomba nataony tamin’ny maty dia mampiseho izany. Nasiany teny be ihany hisolo ny hoe maty : Miamboho, diso, lasa, angatra, modimandry, dia nilazany azy. Rehefa avy ny fokon’olona, etc., ka manatitra ilay vola atao hoe kofehy, na rambon-damba na fao-draomaso, dia isaoran’ny tompon-kavana hoe : “Misaotra, tompoko, veloma soàva tsarà, afaha loza amin’atambo, aza ny ratsy no ifanodiavana.” Mampiseho izay fa fahavoazana no niheverany ny fahafatesana.
Noheveriny fa voa fady mihitsy izay tonga eo amin’ny maty, koa ny biby vonoina tamin’ny maty dia nataony hoe ‘ala-fady’. Izay tsy mba namono ondry na kisoa, etc., kosa dia nanome vola ho solony. Ny Alakamisy sy Talata ary ny misandratra andro dia tsy mba fandevenany fa andro mahery ; koa raha azo natao dia “Alarobia tsy miverina” sy rehefa mihilana ny andro no mety. Nisasa teny amin’ny rano maria izy rehefa avy nandevina. Hoy izy, eo am-pisasana : “Lasan’izay ny loza tsy hiverina intsony.” Izay rehetra nikasika faty toy ny nampandro na namono lamba, etc., dia manasa tanana ; tsy mba naverimberina ny fanondraka azy fandrao miverina ny loza. Mbola maharitra amin’ny sasany mandrak’ankehitriny izany fombafomba rehetra izany.
2. Nino izy fa na dia maty kosa aza ny tena, ny fanahy dia mbola velona ihany.
Finoana velona tamin’ny Ntaolo izany. Rehefa nisaraka tamin’ny nofo ny fanahy dia izao no anarana nomeny azy : –
Matoatoa, ambiroa, avelo, lolo, zavatra, razana.
Ny fialan’ny fanahy amin’ny tena anefa dia noheveriny fa alohan’ny fahafatesana. Ny marary efa mahia loatra, sy izay mahia fotsiny na tsy marary aza, dia nataony fa lasa ambiroa. Avy kosa ny fetsy ratsy mahay manambaka ka milaza fa mahay mampody azy. Rehefa vita ny adi-varotra dia manao izy na tsy misy antony akory aza. “Mampody sakaiza” no ataony anaran’izany. Noho izany, ny Malagasy tato aoriandriana dia natahotra ny halain-tsary fa “mahalasa ambiroa,” hoy izy.
(hitohy)
Rainizafy, Mpitandrina
Namehana 1910