Ny hevitry ny Ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (3)
3. Nino izy fa ny fanahy dia manana fitoerana.
Ny Ntaolo dia tsy nahatakatra velively izay fiainana ambaran’ny Filazantsara. Ninoany anefa fa manan-toerana ny fanahy.
(a) Mandehandeha eny rehetra eny. Rehefa akaiky ny andro hahafatesan’Andrianampoinimerina, dia hoy izy : « Hody any an-danitra aho » (tsy toy ny finoan’ny kristiana anefa izany). « Ny nofo no hilevina ; fa ny fanahiko dia mbola hitoetra aminareo sy Idama ihany. Tsy aiza aho fa hibitsibitsika azy eny ho eny ihany » (Vakio Job. xix. 26 ; Mpit. T. xii. 7).
Raha namadika ny ntaolo dia izao no fanaony : Iny hariva mialoha ny hamongarana ny faty, dia misy manatona ny fasana misy azy ka miantso eo. Tononiny tsirairay ny anaran’ny maty ka hoy izy : -« Modia hianao, Ranona, fa hifindra trano ka hody eny Ananona (mantsy ilay fasana vaovao). Na aiza na aiza nalehanareo, modia anio fa hiainga rahampitso maraina. » Ny maty tany ambany ho entina miakatra koa dia nataony toy izany. Dia ninoany fa mandehandeha ety ny fanahin’ny maty.
Nefa,
(b) Miangona na mitoetra any Ambondrombe. Misy toerana voafetra kokoa anefa nataony ho fotoerana dia ny fasana, tanàna na trano foana, tendrombohitra, lohasaha, any an-efitra, etc. Raha trano misy olona dia nataony fa teo anjoro-firarazana no fipetrahan’Andriamanitra sy ny razana.
Tany Ambondrombe anefa no nataony ho foto-beny. Ambondrombe na Iratra dia tendrombohitra malaza any amin’ny Tanala. Fadin’ny tompon-tany izy (araka ny fombany be fady) ka tsy misy sahy mitoetra ao. Voasarona ala matevina izy ka sarotra iakarana. Mahagaga, hono, fa any an-tampony dia misy feo mirohondrona toy ny tafondro mipoaka, fitrenan’omby, fibarareokan’ondry, poa-basy, mozika, hira, amponga, etc., kanefa tamin’ny taona 1882 Mr. Shaw misionera dia niakatra tao. Hitany fa ity tendrombohitra ity dia misy tendrony dimy na enina ka elanelanin’ny lohasaha lalina. Koa ny fianjerazeran’ny rano amin’ny hantsam-bato lalina, sy ny rivotra mifofofofo amin’ny ala no mahatonga izany feo izany. Nitatra ny ‘hono’, ka ny Hova no nino hoe, avelo izany.
Lavitra avy aty Imerina Ambondrombe, ka ny fanahy dia noheverin’ny ntaolo fa tsy nahatratra indray andro tany. Very anelanelany tamin’ny fifaliana izay sendra maty tamin’ny Fandrosoana. « Rafotsibe maty andro nandroana : ka tsy momba ny aty, tsy momba ny any Ambondrombe. »
Ny any amin‘ny fiainan-tsi-hita anefa dia nataony fa tohin‘izao fiainana izao ihany. Toy izao : Raha mpanan-karena tety dia mbola mpanan-karena ihany any. Izay mahantra dia mbola hahantra ihany. Ny mpanjaka dia ho mpanjaka, izay andevo dia ho andevo ihany ; etc. Arakaraka ny lany nenti-nanana ny maty no ho foto-pifaliany na fahoriany any. Izany no nahatonga azy « hanao afana » sy hamono omby amin’ny maty. Raha omby folo no vonoina dia folo koa no ombiny rehefa any. Raha 5 aty dia 5 koa any. Nanjary finoan’ny Malagasy taty aoriana koa anefa izany.
Nisy, hono, lehilahy anankiray nampamono omby telopolo, fa te-hahazo toky ny amin’izay ho fananany rehefa maty. « Mbola tsy maty hianao, hoy ny Kristiana anankiray, « ka iza no hiandry ny ombinao? » – « Manana andevo telo efa maty aho, » hoy izy, « ka ireo no hiandry azy. » Mahagaga anefa fa ny hena lanin’ny velona, fa ny ambiroan’omby koa angaha no heveriny amin’izany. Omby ihany no saiky fanao amin’ny maty ; tsy firy no namono ondry, fa sarotra roahina hono, ka halan’ny matoatoa. Ny henany kosa nefa tiany.
Norarany ny manjai-borodamba alina, sao misingo-borodamba koa, hono, any. Soloany lamba hafa faingana izay miala aina, fa sao mitafy lamba nenti-narary, hono, any. Ny firavaka sy ny fanaka sasany dia niara-nalevina tamin’ny maty tao am-pasana mba hampiadana azy hono. Tao amin’ny tranomanaran-drizareo andriana dia nasiana saiky ny fanaka rehetra momba ny tokan-trano.
Noheveriny fa mifankahita tsara ny mpihavana any ; noho izany, dia nataony iray fonosana izy.
(hitohy)
Rainizafy, Mpitandrina
Namehana 1910