Ny hevitry ny ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (4)
4. Nino izy fa ny fanahin‘ny maty dia mety miraharaha amin‘ny velona.
(a) Ny maty dia miresaka amin‘ny velona. Izay sendra nanonofy ny maty dia milaza hoe : « tonga tamiko, Ranona, ka izao sy izao no teniny. » ‘Manavina’, ‘tonga’, ‘avy’, ‘miseho’, ‘manindry’, etc. dia samy ilazany ny maty toy izany. Saiky izao resaka fanao amin’ny velona izao no ambarany fa resahina amin’izany. Tsy amin’ny nofy ihany anefa, no ninoany ny maty ho miseho fa tamin’ny fahitana koa. Mbola maharitra mandrak’ankehitriny izany finoana izany.
(b) Ny maty dia manan-kery amin‘ny velona. Manan-kery hitahy sy hanome zava-tsoa ny maty. Saiky ny fivavahana rehetra dia nampiarahina tamin’ny razana avokoa. « hotahin’Andriamanitra sy ny razana anie hianao. » « Eny, ry razana ato avara-trano (na atsinanan-tanàna etc.), tahio andro e, tahio alina. »
Na tao aza ny finoany an’Andriamanitra ho mpanome zava-tsoa dia ninoany fa manome zava-tsoa koa ny maty. Tena fanao ny mangataka zaza tamin’ny razana. (… ). Indraindray dia asainy homan-javatra toy ny voasary, na tantely, etc. dia hanjary zaza iny. Noheveriny fa manome harena koa ny maty. Nataony fa mampitombo ny eo am-pelatanana izy na manome harena vaovao mihitsy.
Ny ankabeazan’ny soa dia ninoany fa nomen’ny razana. Noho izany dia nanatitra zavatra ho azy izy. Namono akoho, ondry, teny amin’ny fasana izy. Nateriny teny koa ny trafon-kena, voankazo, rano madio, tantely, vola, paraky, zava-maneno, etc. Koa ny razana tsy mba namaly vavaka dia nataony fa ratsy, ka hoy izy : « Ny tenda toy ny razan-dratsy, omem-be tsy mitahy; omen-kely manome tsiny.« « Mitomoe-poana hoatry ny ny razam-be tsy mitahy. » Raha noheveriny ho tezitra koa ny razana dia nanatitra izy.
Ninoany ho mahatonga loza sy maka ny velona koa ny maty. Ny harena rava tampotampoka dia nataony hoe voatsinin’ny razana. Ny faty antoka tonga, ny biby ompiana maty, ny tena farofirofy, ny tsy mahazo zaza matetika dia nataony fa voatsiny avokoa. Raha sendra nisy aretina mandripaka dia nataony fa ny « lolo » no nahatonga izany.
Rehefa ny marary no manonofy ny maty matetika, dia lazainy fa tonga haka azy izy. Ny tompon-kavana dia nitomany hoe : « Alao aho, Ranona ô. » izay maty taoriana kelin’ny havany vao maty dia natao hoe nalainy.
Noho izany, dia natahorany ny hoe ‘lolo’, ‘angatra’, etc.
Ninoany koa fa manao afo ny matoatoa. Koa ny afo tamin’ny nahafatesan-dRanavalona I, nanodidina an’Antananarivo, dia ambaran’ny maro fa afo-matoatoa. Izay mba te-haka afo tamin’ny maty anefa dia nataony fa tsy mahazo, ka hoy izy : « Manao kitoatoa hoatra ny maka afo amin’ny maty. » Asa, na ny maty no tsy mety mizara, na tsy mahay manome, na ny afony kosa no tsy azon’ny velona anaovana.
5. Nino izy fa misy fahafatesana faharoa.
Hoy angaha ny sasany : Iza no nampianatra azy izany? Finoana Kristiana izany. Marina fa taty aoriana ela vao tonga ny Filazantsara. Kanefa tsinjony fa misy fahafatesana faharoa. Hoy ny fiteniny : « Aza miringiringy ny fitondrantena fa ny maty indray mandeha leo ihany ; fa ny fanindroany no tsy tanty. » Ny fahafatesana indray mandeha dia ny an’ny nofo ; ary ny fanindroany dia ny an’ny fanahy. Araka ny efa voalaza dia fantany fa na maty aza ny tena ny fanahy kosa mbola velona : kanefa raha ratsy ny fitondrantena dia mety maty indray izy. Koa ny heviny amin’ity ohabolana ity dia toy ny manao hoe : Tandremo fa ny maty nofo leo ihany, fa ny maty fanahy no tsy zaka. Rehefa nahazatra azy anefa izany dia nampiasainy tamin’ny zavatra niseho an-davanandro, toy ny fatiantoka indroa nifanesy, na fahavoazana indroa tamin’ny loka, na sazy nataon’ny lehibe, etc., koa ny hevitry ny hoe, ‘maty‘ dia mety ho ‘voa‘ koa. Ary tonga namany ny teny hoe : « Indroa maty toa vary rahana ; » « Indroa mahita ny maizina toy ny tain’omby atsentsin-davaka. »
Tsy maintsy ambara eto anefa, fa tsy tratry ny sainy velively akory izay helo, na fijalian’ny fanahy ambaran’ny Baiboly. Izao ihany no fantany : « Raha tsara tety dia ho tsara any ; raha ratsy tety dia ho faty koa any. Ny fiverenan’ny tody dia tsy mba milaza ny fahafatesan’ny fanahy tsy akory, fa valiny mihatra amin’ny nofo ihany na dia amin’ny taranaka aza vao mipoitra.
Izany no finoan’ny Ntaolo Hova ny amin’ny fiainan-tsi-hita ; kanefa mety raha misy teny indraim-bava izay mba hevitra iombonan’ny Malagasy amin’ity nosy ity. Betsaka ireo firenena ireo, nefa misy fototra iraisan’izy rehetra izay saiky mitovy amin’ny finoan’ny Hova. Izao no izy : – Ny fanahin’ny maty dia velona mihitsy. Manan-kery izany fanahy izany. Koa ny maty dia mendrika hohajaina indrindra, hamonoana omby, haterana fanatitra, hotolorana sakafo amin’ny toerana voatokana, hangatahina hitahy sy hiaro amin’ny loza, etc. Izany hevitra izany dia iombonan’ny firenena rehetra ivelan’Imerina na dia tsy mifanakaiky aza izy ; ary izy rehetra dia saiky mbola mitana izany mandraka ankehitriny.
Izany rehetra izany no finoan’ny Ntaolo Malagasy ny amin’ny fiainan-tsi-hita. Fa inona moa no vokatr’izao? Nahatonga inona avy izao finoana izao?
1. Nahatonga azy ho mora mionona amin‘ny fahoriana izany. Efa nino an’Andriamanitra rahateo izy,
ka nanaiky ny fitondrany ; nefa ny fiheverany fa valin’ny natao izay mihatra dia nampionona azy.
2. Nahatonga azy hanao ny marina izany. Ny finoany fa mbola hanaraka any Ambondrombe izay natao taty, sady mbola haseho koa ny tody, dia nahatonga azy hanao ny marina. Noho izany, halany ny halatra, ka na dia ny tain’omby eny an-tsaha efa nisy namadika aza tsy nisy sahy naka. Tsy tiany mainty ny mangalatra am-bava mitady hiharaka na hitoroka foana. Ary halany mafy koa ny lainga, fa nataony ho ratsy noho ny mosavy aza.
3. Ary indray, nahatonga azy hazoto tamin‘ny fitadiavan-karena izany. Isan’ny nampahazoto azy hihary ny holanina amin’ny maty. Nampilofo azy ny hanao « haren-kita fasana. » Nolatsainy ny kamo, fa noderainy ny mazoto. Koa dia nikely aina tamin’ny asa sy ny taozavatra ary ny varotra sy ny fiompiana izy.
4. Tsy izany ihany, fa nahatonga ny Malagasy taranany ho diso hevitra izany. Amin’ireny finoana ireny dia maro no mbola tananan’ny Malagasy mandrak’ankehitriny, Mbola be ny farasisan’ny maizina. Izany no isan’ny mahasarotra ny fampandrosoana ny Filazantsara amin’ity tany ity.
5. Nefa mahatonga ny Malagasy ho mora nandray ny Baiboly koa izany. Ny foto-javatra sasany ao amin’ny Baiboly dia efa tao amin’ny razana rahateo. Ny tahotra an’Andriamanitra, ny fiandrasana Azy ; ny fanaovan-tsoa, ny fandraisam-baliny araka ny natao, ny fibebahana, ny tokony tsy hanaovana ny zava-dratsy rehetra, etc. Ireny rehetra ireny dia efa tao am-pony ka nahamora ny fandraisan’ny Malagasy ny Baiboly.
Enga anie ny fandrenesana ny finoan’ny razantsika mba hisy fianarana ho antsika : ny ratsy hialana, ny tsara hifikirana.
Rainizafy, Mpitandrina
Namehana 1910