Ny lanitra mamangy ny tany
Alahady 14 Janoary 2024, mbola andinihantsika ny lohahevitra hoe « Lehibe ny Voninahitr’Andriamanitra« , ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha, Andriamifidy Miora, ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 9 : 28-36
Ny niovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra.Mat. 17.1-13;Mar. 9.2-13.
28ARY rehefa tokony ho havaloana taorian’izany teny izany, dia nitondra an’i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. 29Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra. 30Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, 31izay niseho tamim-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema. 32Ary efa navesatry ny tory ny mason’i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.33Ary tamin’ny nisarahan’izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin’i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao trano-lay telo; ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy. 34Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy. 35Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy. 36Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita.Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin’olona na dia iray akory aza tamin’izany andro izany ny amin’izay zavatra efa hitany.