Ny mpivavaka ankasitrahan’Andriamanitra na ny mpivavaka marina
Salamo 05:1-12 : « 1Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny sodina. Salamo nataon’i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro. 2Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.3Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako# aminao, ka hanandrandra aho. 4Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy. 5Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra. »