Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala
Ohabolana 19:1-9 :
1Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin’ny molony sady adala. 2Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana. 3Ny fahadalan’ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin’i Jehovah no sosotra ny fony. 4Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin’ny sakaizany.
5Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala. 6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’izay mpanome zavatra. 7Ny malahelo dia halan’ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin’ny teny tsy misy# izy. 8Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.