Sakafom-pifaliana teny amin'ny Le Capitole
Tanteraka soa aman-tsara nohon’ny fitarihan’ny Tompo ny sakafom-pifaliana notanterahina teny amin’ny « LE CAPITOLE » ny alahady 10 jona 2007. Izany moa no natao dia, sady ho famoriam-bola ho an’ny asa efa madiva ho vita, sy ho fiaraha-mifaly amin’ireo nasaina.
Tao ny fiangonana, zanaka am-pielezana, namana sy tapaka. Tena nalai-nisaraka tokoa ny rehetra tamin’io tolakandro io, satria nifanojo tokoa ny fanentanana sy fampilalaovana nataon’ny tarika « WILLY SY NANJA », ary nifarimbona tao koa ireo mpikambana mpanentana tao amin’ny komity. Fa raha hiverenantsika fohy ny toe-bola mikasika ny fanamboarana ny rihana sy fanatsarana ny fiangonana dia fintinina toy izao :
TOE-BOLA ANKAPOBENY TAMIN’NY 27 MAY 2007
- Ezaka mbola ho tratrarina : 23.650.473 Ar
- ASA RIHANA …………… 12.098.216 Ar
- ASA GORODONA ……… 3.391.768 Ar
- ASA FAMITANA ………. 8.160.489 Ar
- Ny totalin’ny fampindramam-bola mbola averina dia mitentina : 43.000.000 Ar
- Ny fitambaran’ireo (66.650.473 Ar) no ezaka notratrarina tamin’ny hetsika notanterahina ny alahady 10 jona 2007.