Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo
Alahady 07 Novambra 2021 hibanjinana lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity « Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo »
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 13:36-43 : « 36Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny tsimparifary tany an-tanimbary.37Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona; 38ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia ny zanak’ilay ratsy; 39ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly; ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia anjely. 40Koa tahaka ny anangonana ny tsimparifary sy andoroana azy amin’ny afo, dia toy izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. 41Ny Zanak’olona haniraka ny anjeliny, ary ireny dia hanangona ka hamoaka amin’ny fanjakany ny zavatra mahatafintohina rehetra mbamin’izay manao meloka, 42dia hanipy azy any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 43Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino. «