Tanteraho ny fanompoanao
Alahady 18 septambra 2022, mbola andinihantsika ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana », alahady nanatanterahan’ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo ny fanateram-bokatra.
Ny mpitandrina Randrianasolo Elinah avy ao @ FJKM Ampasimpotsy Betela no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny 2Timoty 4 : 1-8 » 1Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy: 2mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 3Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; 4ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano. 5Fa ianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. 6Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. 7Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa. «
Andeha hanaraka ny fanompoam-pivavahana :