Toriteny Alahady 12 Jolay 2009: Ny fahasambarana
Ampitombona aminareo mandrakariva anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jeso Kristy Tompontsika. Ny teny hotoriana amintsika androany, dia izay hitantsika ao amin’ny Matio 5: 1 – 12 izay vao avy novakian’ny mpanompon’Andriamanitra teo izay hilazana indrindra momba ny fahasambarana, satria dia miverina matetika ny teny hoe sambatra. Iza amintsika olombelona moa ry havana no tsy mikatsaka izany fahasambarana izany? Sambatra satria mifankatia ny olon-droa, sambatra satria manam-pahaizana, sambatra satria manana vola sy harena be, sambatra satria manam-pahefana ambony sy ny sisa sy ny sisa… Be dia be ny hasambarana hazontsika olombelona tanisaina, ary ny tsirairay dia samy manana ny fahasambarana izay iriny. Fa inona kosa ny hasambarana izay lazain’ny Tompo amin’ity andro anio ity?
Eto amin’ity Matio 5 ity no hahitana ny fiandohan’ny toriteny malaza nataon’ny Tompo teo an-tendrombohitra raha nanomboka ny asany izy, ary nanazavany ny fahasambarana mety mahazo ny olona eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Manamarika izany fa noho ny amin’ny fahasambarana indrindra no antony nahatongavan’ny Tompo teto an-tany, ary ny hitarika ny olona amin’izany no nimasony hatrany. Andeha hojerentsika sy hotanisaintsika ary izany fahasambarana nolazain’ny Tompo izany.
Ireo fahasambarana nolazain’i Jeso
– Ny fahasambarana voalohany: “Sambatra ny malahelo am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Ny fampianaran’ny Tompo eto dia miantefa amin’izay mahantra ara-panahy, dia tsy inona izany fa ireo izay manaiky ny fahalemeny ary matoky tanteraka ny herin’Andriamanitra, ireo izay mangetaheta ny fiainana ara-panahy, ary manantena ny Tompo hameno ny banga.
– Ny fahasambarana faharoa: “Sambatra ny ory, fa izy no hampifalina.” Ny fahoriana ambara eto ry havana dia ny fiara-mizaka amin’i Jeso ny fahotan’izao tontolo izao. Izany fahoariana izany dia izay vokatry ny fahotantsika olombelona ihany. Na koa, fahoriana vokatry ny olana izay mitambesatra eo amin’ireo izay tsy manaiky ny famindrapon’Andriamanitra. Ny mikirikira ara-panahy dia mbola hofafan’Andriamanitra ny ranomaso amin’ny tavany. Fa ny tsininy kosa dia efa manomboka migoaka sahady ny fahaverezana mandrakizay.
– Ny fahasambarana fahatelo: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.” Amin’ny fiainana andavanandro dia tsy vitsy ny olombelona ratsy fanahy na ny hendry manao ahoana na manao ahoana. Fa rehefa mandray ny Tompo dia miova ho malemy fanahy sy tsara toetra satria ny Tompo no miaina ao anaty araka ny teny hoe: “Tsy izaho intsony no mivelona fa i Kristy no velona ato anatiko.” Ny fahalemem-panahy dia midika fiononam-po, ary ny fiainana mandrakizay no lovan’ny malemy fanahy.
– Ny fahasambarana faha-efatra. “Sambatra ny noana ny mangetaheta ny fahamarinana, fa izy no hovokisana.” Ireo olona ireo dia mikatsaka ny fahamarinana, fahadiovana ary te ho masina eo anatrahen’Andriamanitra. Izany faniriana ny fahamarinana izany dia tsy hotanteraka mihitsy raha tsy ny Tompo no manome izany.
– Ny fahasambarana faha-dimy: “Sambatra ny mihantra fa izy no hiantrana.” Andriamanitra ry havana efa nampiseho fiantrana antsika tamin’ny nanomezany ny zanany lahitokana hamonjena antsika. Raha mba mahavita fihantrana koa isika dia manahaka azy. Tsara ny hahafantarantsika fa izay tsy mahay mihantra, ny dikan’izany dia tsy tokony hanantena ny hahazo fiantrana koa.
– Ny fahasambarana faha-enina: “Sambatra ny madio am-po, fa izy no hahita an’Andriamanitra.” Ny olona manana fo madio, sy mahitsy fisainana ary mazava eritreritra, izy no hahita an’Andriamanitra, izay midika koa fa izy no hahita an’i Jesoa Kristy sy Andriamanitra Ray amin’ny andro farany.
– Ny fahasambarana fahafito: “Sambatra ny mpampihavana fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra.” Toetran’olombelona ny mitazam-potsiny manoloana ny fisavoritahana eo amin’ny fiara-monina satria tsy tompon’andraikitra. Ny toetran’ny mpanompon’Andriamanitra kosa anefa dia ny mandray anjara na koa miditra an-tsehatra eo amin’ny fitadiavana ny fampihavanana.
– Ny fahasambarana alohan’ny farany: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” Ny fanenjehina tiana ambara eto dia ho an’ireo izay manao ny marina kanefa voahenjika noho ny tsy rariny. Na koa ireo olona voahendrikendrika amin’ny zavatra tsy natao. Ireny dia hahazo ny fanjakan’ny lanitra satria Andriamanitra efa mahita ny fahamarinany.
– Ny fahasambarana farany: “Sambatra hianareo raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.” Teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao dia efa misy foana ny fanenjehina an’ireo mpanara-dia an’i Kristy. Raisina ho ohatra akaiky, eto Madagasikara, raha tantaran’ny Madagasikara no hojerena, i Rasalama Martiora. Ka ity fahasambarana farany ity dia milaza ny fahasambarana vokatry ny fanarahana an’i Kristy. Koa mifalia isika izay ratsina ny enjehina noho ny amin’ny Tompo fa azy ny fanjakan’ny lanitra.
Tsy tanteraka ny fahasambarana raha tsy misy an’i Jeso
Mety ho gaga isika hoe maninona no mifanipaka ny tenin’Andriamanitra eto. Sambatra ny ory, nahoana ny ory no sambatra? Be dia be ny mifanipaka amin’ny fisainantsika zanak’olombelona nefa ny tiana hambara dia izao: i Jeso Kristy dia afaka manova ny fiainantsika tsirairay, i Jeso Kristy dia afaka manome mihoatra noho izay tadiavintsika tsirairay. Izany ory izany, i Jeso Kristy no manome ny fiadananam-po. I Jeso Kristy no manambitamby. Ho an’ny noana, na isika izao fotsiny aza rehefa noana andavan’andro, rehefa mahita sakafo, dia maninona? Faly. Na ataoko ary hoe ireny mahantra ireny, rehefa omena zavatra kely dia izao: faly izy ary mahalala misaotra. Dia izay no hoe ao amin’i Jeso Kristy. I Jeso Kristy no fahafenohana amin’ny fiainana. Tsy tanteraka ireo fahasambarana ireo raha tsy eo i Jeso Kristy, raha tsy tena ekentsika i Jeso Kristy.
Hafatra manokana ho an’ny tanora
Eto aho dia hitarika ny sain’ny tanora satria Alahadin’ny Sampana Tanora FJKM Foibe ihany androany. Isika tanora indrindra indrindra no tena mikatsaka izany fahasambarana izany. Misy ny ankizy hoe: “Izaho dia tena sambatra mihitsy satria izao… Izaho tsy sambatra mihitsy satria izao…” Ny any làlana tokana azoko omena antsika, izay efa be dia be ny niaina an’izany dia izao: ny mivavaka, ny mametraka eo ampototry ny hazo fijalian’I Jeso Kristy ny fiainana iray manontolo. Mety miteny hoe: “an an an, am-bava fotsiny izany, théorie fotsiny ihany izany. Tsy théorie fotsiny izany satria efa be dia be ny tanora nihaina, nanandrana an’izany Jeso Kristy izany. Be dia be ny tanora afaka mijoro vavolombelona niaina niaraka tamin’izany Jeso Kristy izany. Tsy mbola nisy mihitsy angamba ny hoe diso fanantenana. Ary ny manara-dia an’i Kristy tsy hoe mora koa anefa, fa misy ny indraindray manambitamby i Jeso Kristy, indraindray izy mikapoka kely, indraindray manarina ohatran’ny ray amin’ny zanaka ihany. Fa fitiavana daholo izany rehetra izany. Fitiavan’i Jeso Kristy daholo izany rehetra izany.
Famaranana
Eto ampamaranana ary ry havana dia izao: ireo fahasambarana voatanisa rehetra ireo dia manome antsika ny endrikendriky n
y olona miaina ao anatin’ny fanjakan’i Kristy. Fa araka ny tenin’i Paoly, ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ny mihinana sy misotro ara-nofo ihany fa mihaina araka ny fifaliana sy fiadanana ara-panahy, ary tsy ny asa soa no maha-zanak’Andriamanitra, fa ny fanekena an’i Jeso Kristy ho Tompo sy mpamonjy. Meteza ary, ry havana, ho sambatra ao amin’i Jeso Kristy. Amen.
Ramatoa RABETSITONTA Noromanalina
Diakona ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo